Politique

VAMI Ny fialan-dRajoelina no hampadio ny fifidianana


  • Talata 29 Janoary 2013

Mbola ao anatin’ny fahatsiarovana ny fandoroana tanàna sy fananam-pirenena ary fananan’olon-tsotra nataon’ireo mpanongam-panjakana tamin’ny 26 janoary 2009 isika mianakavy.

 Miondrika am-panajana manoloana ny fahatsiarovana an’ireo namoy ny ainy tamin’izany koa izahay VAMI (Vahoaka Miray) fa ra Malagasy ireny nofitahina ka nilofika an-dalana ireny. Tao ambadik’ireny ny Frantsay, hoy ny VAMI ka zary nandiso fanantenana ireo mpitolona ankehitriny. Satria nandika fifanarahana iraisam-pirenena izy ireo dia voasazy ka mila ny amnistia avokoa. Maro ny te hanamarina sy hanitsy fa tsy tompon’andraikitra tamin’ny zava-nisy tamin’ny 2009 ireny ny Filoha Marc Ravalomanana ka zary tsaroan’ny rehetra sy antsoantsoin’ny vahoaka indray izy ankehitriny mba hiverina an-tanindrazana handamina sy hanohy ny zava-bita betsaka nahasoa ny vahoaka teto amin’ity firenena ity. Miha mitombo ny fahantrana lalina mahazo ny vahoaka ankehitriny ary mihatra aman’aina ny tsy fandriampahalemana.

Mifanesika manao fanambarana ireo mpirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana ho avy nefa ny voalazan’ny sori-dalana antoky ny fitoniana dia nosihosena tanteraka tamin’ny fivoizana ny «Ni… Ni» izay baikon’ny Frantsay hanilihana ny Filoha Marc Ravalomanana fotsiny tsotra izao. Ho anay VAMI, hoy i Gaby Vakiniadiana, Sekretera jeneraliny dia tsy hitondra filaminana velively eto amin’ny firenena io resaka io ka mbola mitady sy mikatsaka ny fomba rehetra hampodiana haingana ny Filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana izahay fa tsy hiray tsikombakomba hanara-drenirano fotsiny izay hataon’ny FAT. Tsy hampadio ny fifidianana kasaina hatao ny mbola hitantanan-dRajoelina ny tetezamita fa tsy azy irery akory ity Madagasikara ity. Ny fialany no vahaolana hisian’izany fifidianana marina sy eken’ny rehetra izany. Aoka izay ny fitondrana vazaha taratasy mampidi-doza sy maha kizo fara ny taranaka malagasy, hoy izy.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT