Ranomaso havozona, hatezerana, hadisoam-panantenana.
Izay no nisoritra teny amin’ny endriky ny olona maro tonga teny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy omaly raha nandre ny fanapahan-kevitry ny tao amin’ny fampanoavana fa dia tanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo laïka mpivady voalaza fa nahatrarana «prospectus» feno tenin’Andriamanitra, an’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, tao anaty fiaran’izy ireo izay nosavan’ny Emmo-Reg teny amin’ny Esplanade Analakely ny zoma 19 martsa lasa teo ary nogiazana avy hatrany teny amin’ny zandary Betongolo. Mpandraharaha ara-pizahantany izy mivady ireto. Mpamily no nitondra ny fiara tamin’ny fotoana nihazonan’ny Emmo-Reg azy, avy eo nalefa teny Betongolo. “Prospectus”, izay nambara fa trakta, vola 1,5 tapitrisa ariary ary taratasim-bola roa no tao anaty fiara, ary niampangana azy ireo. Notazomina teny Betongolo avy hatrany ny mpamily io zoma io. Nampanantsoina kosa izy mivady sy ny olona misoratra amin’ny fiara, izay anadahin-dravehivavy ihany, ny sabotsy. Nataon’ny zandary ny fanadihadiana savaranonando dia nalefa avy hatrany teny amin’ny fampanoavana ny raharaha ny sabotsy. Tsy vita anefa, noho ny antony fandriampahalemana araka ny fahitan’ny “1er substitut” azy, raha tsy te haka andraikitra ity farany araka ny hevitry ny mpandinika, ka dia omaly alatsinainy vao niverina teny amin’ny fampanoavana ny raharaha. Fizarana vola entina hanakorontanana, ary koa maniraka olona hanimba fananana no anisan’ny iampangana azy efatra. Nanolotra ny porofo amin’ireo zavatra hita tao anaty fiara ny mpiaro, satria fiara mpitondra mpizahatany ny fiara nogiazan’ny zandary io. Tsy naharesy lahatra ny teo amin’ny fampanoavana izany, fa dia ny nandefa azy mivady any amin’ny fonja no nahamaika azy. Nomena fahafahana vonjimaika kosa ny mpamily sy ny tompon’ny fiara. Ankehitriny izany izao dia mampiditra am-ponja ny fanaovana ny marina sy ny ara-dalàna, hoy ny avy amin’ny fiarovana azy ireo. Tsy rariny, hoy ny mpanotrona azy ireo. Amin’ny maha olona dia mpivady no indray adoboka am-ponja nefa manan-janaka kely izy ireo. Ny hafa moa mahita fa fanagadrana politika izy ity, ary mety hisy hifandraisany amin’ny maha mpikambana ao amin’ny antoko MFM, sady efa Tale jeneralin’ny Secren teo aloha ralehilahy. Amin’ny zoma 26 martsa ny raharaham-pitsarana azy ireo. Tsy naverin’ny fitsarana amin’ny tompony fa nogiazana eny Betongolo ny fiara sy ny vola 1,5 tapitrisa ariary miaraka amin’ny taratasim-bola roa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.