Herinandro taorian’ny fanambarana tsy filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena izay nataon’i Andry Rajoelina, dia tonga ny valin-kafatr’i Lalatiana Ravololomanana.
Ho an’ity mpitarika ny fikambanana Manda ho an’ny Firaisam-pirenena ity dia paikady politika entina handrebirebena ny vahoaka ireny mba hijanonana ela eo amin’ny fitondrana. Nametra-panontaniana moa ny tenany raha mbola azo inoan-teny ny mpitondra ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) izay ambarany ho mivadibadi-dela lava no sady mpandainga ihany koa. Nisy mihitsy nandritra ny famelabelaran-kevitra nataony tetsy amin’ny Motel de Tana ny fandefasana imasom-bahoaka horonam-peo mirakitra ireo kabarin’i Andry Rajoelina izay ahitana taratra ny fiovaovan-keviny. “Nanambara izy fa vonona hitady vahaolana ho an’ny firenena na aiza na aiza ny toerana kanefa tsy nankany Maputo telo akory izy. Santionany ihany io”. Eo anatrehan’izany dia manao antso avo amin’i Andry Rajoelina mihitsy i Lalatiana Ravololomanana mba hilatsahany. “Nitari-tolona izay namonoana olona maro ianao tamin’ny 07 febroary kanefa milaza fa hanao sorona ny tenanao. Milatsaha hotsarain’ny vahoaka raha mamim-bahoaka marina”, hoy izy.
15 volan’ny fahapotehana
Fampitahana ny zava-bitan’ny FAT sy ny zava-nisy nandritra ireo fitondrana teo aloha kosa no navalin’i Lalatiana Ravololomanana ny fanambaran’i Andry Rajoelina fa tsy nisy fampandrosoana teto amin’ny firenena nandritra ny 50 taona niverenan’ny fahaleovantena. Nambarany fa nandritra ny 15 volana nahateo amin’ny fitondrana ny mpitondra ankehitriny dia fahaverezana asa, fikatonana orinasa ary fitokonana etsy sy eroa no manamarika ny fiainam-pirenena. Kisarisarin-teny no namintinany ny zava-misy tao anatin’izay fotoana izay amin’ny hoe : “Ny Fanapotehana Vita no Ifampitsarana”. Etsy an-daniny dia miantso ny mpanao politika sy ny vahoaka hijoro hanohitra ny tetika fivarotan’ny FAT ny firenena amin’ny Frantsay ity mpanao politika ity. Vonona ny hijoro amin’ny heviny hatrany ny tenany ka tsy matahotra fisamborana raha ny nambarany ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.