Politique

Vakinankaratra Voaroaka fa tsy manome tany ho an’ny Silamo


  • Zoma 28 Oktobra 2016

Nesorina tamin’ny toerany nandritra ny Filankevitry ny minisitra ny alarobia 26 oktobra teo ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra Andrianjanaka Mandrindra Albert.


 Efa nampoizina ho tonga amin’izao ny raharaha, fa ny fotoana nitrangany no tsy fantatra, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika ao Antsirabe taorian’io. Ny fitsivalanan’ingahy lehiben’ny Faritra hanome tany 28ha ao Ambohimanarivo, hampiasain-dry hanorenan-dry zareo Maraokana fotodrafitrasa ara-pahasalamana manara-penitra sy Mosquée ho tambin’izany no heverin’ny maro fa nitarika an’izao fanesorana azy tamin’ny toerany izao. Tany efa nisy Malagasy maro miorim-ponenana sy nanajary ary nihary nandritra ny 10 ka hatramin’ny 30 taona teo amboniny ka nasain’ingahy lehiben’ny Faritra nitady tany hafa ry zareo hanatanterahana io tetikasa io. Tsy dia mazava loatra rahateo koa moa ny fironana politikan’Atoa Andrianjanaka Mandrindra Albert ka mety manelingelina ny fitondrana na dia iarahan’ny maro miaiky aza fa olon’ny fampandrosoana izy ary olon’ny fifampiresahana ihany koa. Misy rohim-pihavanana amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izy saingy misy ireo olon'ny antoko eo amin'ny fitondrana niezaka namingana azy ka tonga amin’izao fanesorana azy izao. Ny jeneraly Rakotonarivo William no voatendry ho lehiben’ny Faritra Vakinankaratra nasolo azy. Jeneraly handray baiko fotsiny ihany fa tsy manana vinam-pampandrosoana.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT