Politique

Vakinankaratra Vaky ny ady eo amin’ny Mpanolotsaim-paritra sy ny Lehiben’ny Faritra


  • Alarobia 04 Aogositra 2010

Mahatsiaro tena ho latsa-danja tanteraka ireo mpanolotsaim-paritra ao Vakinankaratra ao, ka tapa-kevitra sy niray feo hitaky ny tena maha izy azy eo anivon’ny Faritra amin’izao fotoana izao.

«Tahaka ny tsy misy izany mpanolotsaim-paritra izany ho an’ny eo anivon’ny Faritra Vakinankaratra raha ny zava-misy herintaona izao», hoy ny filohan’ny mpanolotsaim-paritra, Rabemizana Solo.

Maro loatra, hoy izy ny tsy fanomezan-kasina, miendrika fanamaivanana anay mpanolotsaina, ka na dia ny fivoriana fanao sy ny fampiantsoana izany aza dia tsy nataon’ny lehiben’ny Faritra, izay marihina fa mba mpanolotsaim-paritra toa azy fito mianadahy ihany koa teo aloha, ka tokony hahalala tsara ny asa sy ny lanja ary ny hasin’izany mpanolotsaim-paritra izany. Notsipihin’ireto mpanolotsaina ao anivon’ny faritra Vakinankaratra ireto ihany koa, fa maro loatra ny endrika tsy fanarahana mihitsy ny lalàna ataon’ireo mpanatanteraka ao anivon’ny faritra, nefa noho ny tsy fanomezan-danja ny rafitra filan-kevitra, amin’ny maha mpanara-maso azy, izay ny mpanolotsaina, dia toa zary mandeha ho azy izany. Notanisainy tamin’izany ny fandikana ireo andininy voalazan’ny lalàna 94-008 tamin’ny 26 avrily 1995, mamaritra ny asa sy ny fifandraisana eo amin’ny vondrom-bahoakam-paritra. Anisan’izany ny fanafoanana ny birao fiasana sy fivorian’ny mpanolotsaina, ka dia voatery tany an-toeran-kafa no nivory izy ireo. Ny andininy faha-5 ao amin’io lalàna voateny teo aloha io anefa dia mametra tsara fa tokony hanana izany ao anivon’ny Faritra izy ireo. Efa nisy ihany ny taratasy nalefa (interpellation) ho an’ny lehiben’ny Faritra ny 22 avrily 2010, saingy tsy nisy valiny izany. Mbola io lalàna io ihany koa no mametra, (araka ny andininy faha 36/1°) fa tsy maintsy ankatoavin’ny mpanolotsaina ny “organigramme” vao azo ampiharina nefa dia tsy nisy ny fakan-kevitra ny amin’izany. Manginy fotsiny ny tsy fandalovan’ny teti-bola ampiasaina ao amin’ny Faritra teo amin’ny mpanolotsaina sy ny tsy nisian’ny fankatoavan’izy ireo ny kaontim-pitantanana 2009 (araka ny andininy faha-7/II-III sy ny andininy faha-35).
 
Vokatr’ireo rehetra ireo dia nilaza ary ireto mpanolotsaim-paritra ao Vakinankaratra ireto, fa dia hisy ny fitoriana hapetrak’izy ireo eo anivon’ny «Tribunal Administratif” na ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana noho ny fitantanana tsy mazava tsikaritr’izy ireo. Hisy ihany koa ny fitoriana hataon’izy ireo eo anivon’ny “Tribunal Fianancier», noho ny fampiasam-bola tsy lany era teo amin’ny filankevitra sy ny kaontim-pitantanana tsy nandalo fankatoavana. Ary farany dia hanaitra ny Bianco izy ireo amin’ny resa-bola tsy dia mazava loatra ao amin’ny faritra Vakinankaratra ao. Mazava mantsy fa tsy afaka manatanteraka ny andraikitra napetraky ny vahoaka nifidy azy ireo intsony ireto mpanolotsaim-paritra ireto.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT