Politique

Vahoakan’i Besalampy Leo ny kitoatoan’ny polisy


  • Alakamisy 02 Martsa 2017

Niala tamin’ny fahanginanany ka namoaka fanambarana nanoloana ny mpanao gazety tetsy amin’ny 67 ha misy ny biraon’ny Fizamami ny Fikambanan’ny terak’i Besalampy monina eto Antananarivo notarihan’ny filohany, Atoa Badory Victor, niaraka tamin’ireo olobe ao an-tanàna nisolontena ireo vahoakan’ity distrika ity naniraka azy ireo.

Teny nivoaka voalohany tamin’ny vavan’ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ity distrika ity, ny depiote Delphine Florentine, nisolontena ireo namany rehetra ny hoe : “Tsy fitsaram-bahoaka no nisy tany Besalampy  fa hatezeram-bahoaka”, tamin’ny raharaha nahavoarohirohy mpiray dina maro tany an-toerana. Tezitra tamin’ny valin-teny tsy nahafa-po avy tao amin’ny kaomisaria tao Besalampy nikasika ny fitananana olona meloka naharitra tao aminy ny vahoaka ka izany no niezahany namoka avy tao amin’ity kaomisaria ity ireo olo-meloka izay voadaroka tora-bato tamin’ny ankapobeny. Ny andron’ny faha-23 janoary lasa teo io zava-nitranga io ary tsy nisy fanapotehana sy fanakorontanana biraon’ny polisy nataony fa sary namboarina no nanaporofoana izany. Leon’ny fandefasana an’ireo mpitandron’ny filaminana voasazy na “indisciplinés” alefa hiasa any aminay izay, hoy ny feo heno tetsy 67 ha omaly, ka mangataka ny hanoloan’ny tompon’andraikitra an’ireo polisy rehetra miaraka amin’ny filohan’ny OMC any Besalampy. Mitaky ihany koa ny hamoahana ireo olona 10 voarohirohy tamin’ity raharaha ity ka nalefa MD any amin’ny fonjan’i Mahajanga ankehitriny. Ary manambara izahay, hoy ireto oloben’i Besalampy ireto, fa tsy mitady disadisa amin’ny fitondrana mahefa izahay fa mikatsaka vahaolana mahomby ka mangataka mangataka azy ireo mba hijery ifotony ity raharaha any Besalampy ity.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT