Izay no feo re avy any amin’ny Kaominina Arivonimamo ambonivohitra, taorian’ny nahavaky ambatolampy ny fahabangam-bola mitentina 105 tapitrisa ariary tao amin’ny kitapom-bolan’ity Kaominina ity, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Bianco.
14 lahy no indray nidoboka am-ponja tany Ambatolampy taorian’izay, anisan’izany ny Ben’ny tanàna sy ny Filohan’ny mpanolotsaina, izay mpianaka, miampy olona 11 hafa izay samy tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina. Nahoraka an-gazety ity raharaha ity, ny faramparan’ny volana mey 2011 teo. Akory anefa ny hagagan’Arivonimamo iray vohitra fa dia tafavoaka ny fonja ny faran’ny herinandro teo ary dia nanohy asa ao amin’ny Kaominina ingahy Ben’ny tanàna, miampy olona folo hafa fa mihitsoka any kosa ny telo, dia ireo mpitam-bolan’ny Kaominina, rehefa nofitahina tamin’ny taratasy araka ny fanazavan’ny havan’ireto farany. Lasa raharaham-pianakaviana ny raharaha, ka mifampiaro satria fantatra fa fianakaviana minisitra FAT teo aloha ny Ben’ny tanàna.
Namory vahoaka, ary nilaza ampahibemaso fa hamoaka azy ireo tany am-ponja rahateo io minisitra taloha io nialoha ireny Gaborone ireny. Koa manahy ny mponina ao Arivonimamo eo anatrehan’izao sao hitatra ny fahavoazana ka vao mainka hanapotika ny tanàna, izay efa tsy mitsaha-mikorosy na dia eo aza ireo fanampiana ara-bola maro azony tato anatin’ny telo taona, taorian’ny nahazoany loka «Kaominina Mendrika», ka dia mitaky fampiatoana amin’ny asany ny Ben’ny tanàna ny Vahoaka maro an’isa, toy ny mihatra ankehitriny ao Mahajanga, sy nampiharina tany Toamasina sy Manakara ka hanendrena delegasiona manokana na PDS handray an-tanana ny fanarenana ny tanàna. Araka ny fantatra dia fitarainana nataon’olona nividy tany tamin’ny Kaominina, ao amin’ny toerana atao hoe : Manandona, no nampitsikafona ity raharaha ity. Fanontaniana maro no mipetraka taorian’izay. Fantatra fa nisy ny fanadihadiana, toy ny fanaraha-maso ny fanarahan-dalàna (contrôle de légalité) ataon’ny solontenam-panjakana. Koa maninona no tsy nisy nahatsikaritra io fahabangam-bola io, fa ny Bianco indray no mahita, sa tsy nanao tatitra … ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.