Tia milamina sy fatra-panaja ireo soatoavina mandala ny fihavanana ny vahoaka Malagasy. Hendry sy mahari-pery ary tena mankatò ihany koa ny rindra mifehy ny fiarahamonina.
Fitsipi-pifehezana nanome vahana ny fiankinan-doha tanteraka tamin’ireo sokajin’olona eritreretina ho mpisolovava sy mpitondra tenin’ny valalabemandry tahaka ireo mpanao politika, fikambanana tsy miankina na koa ireo vondron’ny seha-piarahamonim-pirenena.
Toekarena nitotongana
Repoblika 4, Lalàmpanorenana 4 miampy fanitsiana 5 no nanamarika ny fiainam-pirenena Malagasy hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena. 56 taona nitadiavan’ireo mpanao politika tombontsoa manokana hatrany sy nampahantra fadiranovana ny vahoaka tsy mandady harona. Nampilatsaka ny tontolon’ny toekarena teto Madagasikara avokoa moa ireo hetsi-panovana politika niseho ny taona 1972, 1991, 2002 ary 2009. Nitombo avo 4 heny ny isan’ny Malagasy mahantra mihoatra ny tamin’ny taona 1960, araka ny tatitra navoakan’ireo mpamatsy vola mahazatra ao amin’ny Bretton Woods. Niakatra 11% isan-taona ny vidin’entana amin’ny ankapobeny raha nitotongana hatrany amin’ny 75% kosa ny sandam-bola ariary tao anatin’ny 50 taona mahery. Ny taona 1971 tokana no mba nahatratra 600 dolara isam-bolana ny fidirambolan’ny isambatan’olona.
Miraviravy tanana
Fanantenana niova ho fahakiviana hatrany ny setrin’ny fahatongavan’ireo mpitari-tolona sy hetsi-bahoaka ho olom-panjakana eto amin’ny firenena. Nivadika ho fanitsakitsahana ny rariny sy ny hitsiny, fanaparam-pahefana tsy refesi-mandidy isan-karazany mantsy ilay lazaina ho fanatsarana ny fari-piainan’ny mpiray tanindrazana. Tranga miteraka tsy fandraisan’andraikitra ny olom-pirenena intsony. Lasa mpijery fampisehoana ivelan’ny kianja fotsiny sisa ny vahoaka Malagasy. Tsara anefa ny mampahatsiahy fa nilahatra tamin’ireo firenena rotiky ny ady toa an’i RD Congo, Liberia, Zimbabwe na Burundi ny firenentsika ny taona 1990. Niakatra hatrany ny harinkarena anatiny ho azy ireo nandritra ny 30 taona farany raha nitotongana kosa ny vokatra anatin’ny fiarahamonina Malagasy. Ny antony dia satria nijoro sy sahy naneho hevitra manoloana ny fihoaram-pefy nataon’ireo mpitondra fanjakana tao aminy hatrany ireo vahoaka tompon’ny fahefana. Mbola manamarina io fahefam-bahoaka tsy azo atao ambanin-javatra io rahateo ny zava-misy amin’izao fotoana izao ao Etiopia, Zimbabwe na koa ny any Brezila. Tena mahagaga anefa fa amin’ny fahoriana mitombo isan’andro mianjady amin’ny fiainany efa ho fito taona mifanesy izao dia mbola mandefitra ihany Ramalagasy !
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.