Politique

Vahoaka mahantra,fanjakana be marenina “Ho avy ny fidinana an-dalambe !”


  • Sabotsy 27 Mey 2017

Mamerimberina foana aho fa raha fampihavanam-pirenena tena izy dia tsy maintsy hatao mba hisian’ny filaminana eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

 

 Ilaina izany, ary ilaina mialoha ny fifidianana mba hahatonga ny olona rehetra ho tony, hoy i Marc Ravalomanana, omaly. Ireny teny amin’ny Panorama ireny dia mampiseho fa be dia be ny olona, na mpanohitra na olon-tsotra dia samy milaza fa mampitahotra ny fifidianana ho avy. Samy mitebiteby ny rehetra. Raha eo amin’ny lafiny fiainam-pirenena, 7 taona aho no teo ary mahita fa tsy mandeha amin’ny lalana tena izy ny fitondrana amin’izao. Tsy mandeha amin’ny tena izy ny rafitra rehetra misy eto fa mandeha any amin’ny kolikoly, feno fampitahorana. Noraisiny ho ohatra ny zava-nisy tany Bruxelles afak’omaly. Nandritra ny fitsidihan’ny filoha Amerikanina Donald Trump dia nilahatra teny daholo ilay olona tsy tia azy ary nampiseho sorabaventy. Nahazo naneho hevitra an-kalalahana izy ireo. Eto amintsika, raha manketsy Analakely na amin’ny toerana hafa dia tsy azo atao fa avy ny Emmo-Reg. Mbola ho avy ihany ny fotoana hahasahian’ny vahoaka hanehoany ny filaharambeny. Ho tonga amin’izany io raha tsy mitandrina ny fitondram-panjakana, hoy ity filoha teo aloha ity. Efa tena mihatra any an-tsoso-koditra ny fahantrana ho an’ny Malagasy, mibaribary ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra sy ny vahaolana tapi-maso. Manampy trotraka ireo ny valy boraingina arahana fampiderana herim-pamoretana manoloana ny fanakianana na adihevitra henjankenjana. Ireny rehetra ireny mitambatra no hahafeno ny kapoaka ka hampitroatra ny olona, raha tsy misy ny fahendrena mandray andraikitra handamina sy hihavana ataon’ny mpitondra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT