Nanao tatitra izay zavatra hitany nandritra ny fitsapan-kevi-bahoaka notontosaina teto amintsika ireo mpanara-maso vahiny telo mirahalahy nahitana mpisolovava anglisy iray Page Henti sy ireo solombavambahoaka frantsay isany Yves Censi sy Jean Francois Mansel.
Tany Mahajanga ny maraina, nentina tamin’ny fiaramanidina manokana ary niaraka tamin-dRabetsaroana, ary teto an-drenivohitra kosa ny tolakandro izy ireo ny alarobia 17 novambra ka birao fandatsaham-bato miisa 40 teo ho eo no voaarany maso. «Nitafa tamin’ny tomponandraikitry ny birao fandatsaham-bato sy ireo mpifidy izahay ary tsikaritray koa ny fahazotoan’ny olona mifidy izay voaporofon’ny fisian’ny filaharan’ny olona te hamita ny zony sy ny taham-pahavitrihana mihoatra ny 50%», hoy i Yves Censi. 39,8% raha ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tao Mahajanga nalehan’izy ireo. Amin’ny ankapobeny dia nizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana izay manakaiky ny zava-misy any amin’ny firenena demokratika rehetra raha ny nambarany ihany. Niaiky koa anefa ireto mpanara-maso ireto fa nisy ny tsy fahatomombanana teo amin’ny lisitry ny mpifidy saika nanerana ny nosy izay tokony harenina.
Mihevitra izy ireo fa tokony horaisin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena iny fanehoan-kevitry ny vahoaka Malagasy iny ary hanampy amin’ny fandresen-dahatra ireo sehatra isan-karazany izy ireo. Voalohany amin’izany ny hanaovan’izy ireo tatitry ny fanaraha-maso nataony amin’ny ministry ny raharaham-bahiny sy ny ministry ny fiaraha-miasa Frantsay raha ny nambaran’i Jean François Mansel. Nokianin’izy ireto koa ankoatra izay ny famoahana vaovao vilana nataon’ny gazety vahiny momba ny zava-misy eny Ivato. Mahagaga ihany anefa ny fanambaran’ireto vahiny ireto izay toa mivilana tanteraka satria raha ny teto Antananarivo manokana no resahana dia nangina tanteraka ka zara raha nisy mpifidy teny amin’ireo birao fandatsaham-bato nandritra ny tontolo andro afa-tsy teny Ambohipo sy Soavimasoandro. Tsy atao mahagaga koa anefa ny fanambaran’izy ireo satria fifandraisana manokana amin’ny olon’ny FAT no nahatongavan’izy ireo teto no nosalorana fanasana avy amin’ny CENI.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.