Politique

Vahaolana ivoahana amin’ny kriz : Avelao Ratsiraka sy Ravalomanana hody


  • Talata 02 Martsa 2010

Na inona na inona zavatra atao eto, dia tsy hisy ho tanteraka raha tsy mifampiresaka sy mifanaraka tsara mihitsy ny samy Malagasy, hoy ny pasitera Mailhol raha nanambara ny heviny tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray momba ny raharaham-pirenena izy ny sabotsy alina teo.

 

Tsy misy maharatsy ny fanelanelanana ataon’ny avy any ivelany, hoy izy fa tsara kokoa raha ny samy eto an-toerana no mahay mifandamina sy manaiky ny fahadisoany tsirairay avy, ary miara-mikaroka ny tena vahaolana maharitra ivoahana amin’ny krizy sy tsy hiverenana amin’izany intsony. Nanambara moa ity filoha mpanorina ny Fiangonana apokalypsy ity fa tokony havela hody am-pilaminana sy tsy misy teritery eto Madagasikara ny filoha teo aloha isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana, izay samy manana ny anjara andraikiny amin’ny zava-mitranga amin’izao fotoana, ary mahafantatra zavatra maro be ihany koa momba ny fiainan’ity firenena Malagasy ity. Rehefa tanteraka izany dia tokony hiaraka hifampidinika an-databatra, eto Madagasikara, indray ireo filohan’ny ankolafy efatra amin’ny fikarohana vahaolana ivoahana amin’ny krizy.
 
Anisan’ireo tsy mandà ny hiverenan’ireo filoham-pirenena teo aloha eto an-tanindrazana arak’izany ny pasitera Mailhol, ary mahita fa mety hamaha amin’ny ampahany betsaka ny krizy izany satria miendrika fifamelana sy fampihavanam-pirenena sahady. Mety mbola ho sarotsarotra ihany anefa ny hahatanteraka izany satria tsy hanaiky moramora izany mihitsy ny manampahefana amin’izao fotoana. Ka eo indrindra no mahasarotra ny famahana ny krizy, satria raha atao any ivelany ny fihaonana, tsy mety manatrika izany ny ankolafy Rajoelina ; raha aroso indray ny hevitra hoe aleo ary mody aty Madagasikara ireo filoha mirahalahy mbola mialokaloka any ivelany, dia mandà ihany koa ny ankolafy Rajoelina. Ka mipetraka ny fanontaniana eto hoe : tena tsy vonona ny hikaroka vahaolana mihitsy ve izany ity ankolafy ity, sa mahita tombontsoa manokana amin’ny fitaran’ny krizy ?
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT