Politique

Vahaolana amin’ny krizy Nanitsy ny teniny Raharinaivo


  • Alatsinainy 19 Jolay 2010

Niverina tamin’ny teniny ary nitondra fanitsiana hialana amin’izay mety ho fandikana vila sy izay mety ho safotofoto-kevitra nateraky ny fanambarana an-gazety nataony ny 06 jolay 2010 teo i Raharinaivo Andrianatoandro.

Tamin’ny fanambarana nataony, omaly, no nilazany fa tsy azo ekena ny hampitarazoka izao toe-draharaha izao raha tsy hampandry fahalemana ny tany ama-monina. Tsy ho izahay mihitsy hoy Raharinaivo no ho sakana ka hampandamoka ny ezaka natao hatramin’izay hampisy fitoniana hamerenana ny fiaraha-monina politika mirindra eto.

Koa noho izany indrindra no ilazanay, hoy ny fanambarana, fa ny ezaka fanelanelanana ataon’ny fiaraha-monim-pirenena amin’izao endriny izao, dia tsy tokony hiteraka ahiahy amin’ny hoe miandany na koa ho loharanon’ny disadisa indray fa hoe tsy tenierana na mifanohitra amin’ny ezaka ataon’ny sehatra iraisam-pirenena na ho sakana amin’ny finiavana hamahana ny krizy efa nimasoan’ny SADC. Koa fahitany ny atao hoe fivondronan’ny fiaraha-monim-pirenena, araka ny kabarin’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra ny fankalazana fetim-pirenena, dia tena ny fianakaviamben’ny fiaraha-monim-pirenena mitambatra, tsy misy ankanavaka, fa tsy ny «COSC» na ny «AOSC» amin’ny endriny amin’izao fotoana izao ihany. Ary ny ezaka ataon’izy ireo dia tokony hifameno amin’izay ataon’ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy ny mifanohitra amin’izay. Nanamafy moa i Raharinaivo fa ny fandraisan’ny hery velona rehetra anjara tsy misy ankanavaka, indrindra ireo antoko lehibe, amin’ny dinika famahana ny krizy ihany no azo antoka fa hahazo fantokavana. Notsiahivin-dRaharinaivo Andrianantoandro raha namarana ny teniny izy fa ny krizy politika dia mila vahaoloana politika.
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT