Any amin’ny CNOSC ny sain’ny maro manoloana ny fikatsoan’ny famahana ny krizy efa mitarazoka 18 volana eto Madagasikara ity.
Ny CNOSC izay eken’ny antoko politika maro, avy amin’ny firehana samihafa amin’ny asa fanelanelanana ataony ary koa nahazo ny tsodranon’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy mora anefa ny miandry azy raha tarafina amin’ireny zava-nitranga nialoha sy nandritra ary taorian’ny fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’olom-pirenena farany teo ireny. Teo ny fanomanana, manaraka ny famaritana ny mpandray anjara sy ny fomba fandraisana anjara hisorohana amin’ny hamaroana tsy hahombiazana izay loharanon’ny savorovoro toy ny nitranga farany teo ireny. Fa etsy andaniny dia nifandimby nilaza fa tsy marisika amin’ny mbola hisian’ny fihaonambem-pirenena vaovao indray ny Raiamandreny Mijoro, tarihin-dRamino Paul, sy ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina. Ity farany izay nahavita nilaza fa mampisavorovoro saim-bahoaka indray izany.
Itsy voalohany indray mihevitra fa fampizarazarana ny Malagasy ny fanaovana fihaonambem-pirenena ankoatra ny nataon’izy ireo ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra teo. Tsy mora araka izany ny asa miandry ny CNOSC, indrindra taorian’ny fisaantarana dinika nataony teny Vontovorona nanomboka ny 25 aogositra 2010 ireny. Hanomboka amin’ny fandresen-dahatra indray ireo antoko politika (asa efa mandeha) hiverina an-databatra boribory izany, izay raha tsara ny tantana dia tokony hiafara amin’ny fifanarahana politika. Ny fisian’ny fifanarahana politika dia tokony ho antoka hisian’ny fitoniana politika, aorian’izany rehetra izany ny fihaonambem-pirenena tena izy. Ny zava-dehibe dia maro ireo mpanao politika, eny fa ireo mpikambana ao amin’ny ESCOPOL sy ny UDR aza, naneho ny fahavononany handray anjara amin’izay dinika karakarain’ny CNOSC izay. Misy resaka mandeha fa amin’ny 18 oktobra no mety hisian’io fampivondronana indray io, koa dia samy miandry ny rehetra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.