Nampiaka-peo fanindroany indray ireo fikambanana sy antoko politika tsy nahazo seza ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.
Maro izy ireo izay ahitana ny avy amin’ny vondrona UDR, HPM, Escopol ary ny Les AS. Nifamory tetsy Andrefanabohijanahary ireto mpiady seza ireto omaly. Tao ireo nanizingizina fa natao fitaovana fotsiny izy ireo, ao koa anefa no nanambara fa tsy solontenan’ny vondrona misy azy akory ny olom-boatendry sasany amin’ireo Parlemanta vao natsangana. Ny Arema Matotra tarihin-dRaharijaona Pierre, ohatra, dia nilaza fa tsy nohajaina ny fifanarahana teny Ivato izay mametraka fa mahazo toerana avokoa ny fikambanana sy antoko manasonia iny fifanarahana iny. “Ambonin’izay dia nisy koa ny fifanarahanay tao amin’ny Escopol fa omena toerana ny ministra na solombavambahoaka taloha. Izaho anefa tsy voatendry kanefa efa voafidy solombavamboahoaka in-dimy miantoana”, hoy izy. Raikitra koa ny ady an-trano ao amin’ny UDR satria misy koa ireo antoko sy fikambanana mahatsiaro tena ho natao ankilabao. Nifampizaran’ireo antoko ambara fa lehibe avokoa mantsy ny toerana 29 ao amin’ny Kongresy sy 25 ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita izay anjaran’ny UDR. Misy antoko 10 ao anatin’ity vondrona ity ihany, tsy manana solontena mihitsy na iray aza.
Ho an’ny Les AS indray dia i Voninahitsy Jean Eugène ihany no ambarany fa mpikambana ao aminy fa olon’ny Escopol sy ny HPM avokoa ny enina ambiny izay voatendry ao amin’ny Kongresy. “Telo koa no anjaranay tao amin’ny Filankevitra saingy tsy nomena anay izany”, hoy ny profesora Bruno. I Paul Mpody avy amin’ny HPM koa dia nanamafy fa telo amin’ireo solontenany fito ao amin’ny Kongresy ihany no nahazo ny tsodranon’ny mpikambana. Voatsipaka toy izany koa ny KMD izay tsy manana solontena na iray aza. Ho an’ireto mpanao politika ireto dia olona akaikin’ny filohan’ny FAT no namadika ny lisitra satria efa nahazo “sms” fampilazana ny fidirana amin’ny iray amin’ireo andrimpanjakana ireo izy ireo taorian’ny fandefasana ny filazana ny momba azy (CV) teny amin’ny fiadidiana ny FAT. Misy koa anefa ireo nihevitra fa mbola hita taratra indray izao fa tsy mitana ny teniny i Andry Rajoelina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.