Politique

Tsy misy ilana azy ny fitondrana HVM Ho eny amin’ny 13 mey ny RMTF


  • Sabotsy 06 Mey 2017


Hanao hetsika eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny Rodobe Malagasy ho an’ny Tolon’ny Fanorenana (RMTF) ny 13 mey izao, hoy Rainidina Rajoharison, anisan’ireo mpitarika ity vondron-kery politika ity. Ao anatin’ny lalan-tsaina famondronana ny herim-bahoaka no hanatanterahana ny hetsika. Tokony haneho ny vahoaka fa tsy mety intsony izao fitondrana misy amin’izao fotoana izao fa efa tena latsaka an-katerena loatra ny firenena, miha mahantra ny vahoaka ary mihavery hatrany ny hareny. Tokony hihetsika izy hitaky fa tsy maintsy misy ny fanovana fitondrana. Ary izany no tokony hanehoany hery hoe ireto izahay vahoaka manohitra izao fitondrana izao ary mitaky ny fanovana mankany amin’ny fanorenana ifotony ny firenena, ka hanangana ny tetezana miampita mankany, hoy hatrany ity mpitarika ny RMTF ity. Raha ny fahalalanay azy dia tsy misy fangatahana alalana ny hidirana eny amin’ny 13 mey tamin’ny herintaona ary tsy hay na hiova hevitra ny prefektiora na ahoana fa ny fantatray dia fahatsiarovana hetsi-bahoaka, fanehoana herim-bahoaka no hatao fa tsy misy resaka fandehanana eny Ambohitsorihitra hanongam-panjakana, hoy Rainidina Rajoharison.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT