Politique

Tsy milamina i Toamasina Olona maty etsy, loza eroa…


  • Talata 19 Jolay 2011

Ny faran’ny herinandro teo iny no nitrangan’ireto vaovao momba ny olona maty sy loza samy hafa ireto.

 Ny voalohany dia lehilahy 50 taona eo ho eo no maty nisy nanakenda tao Morarano ny alahady alina raha hanatitra ny posy nentiny, ka hamonjy fodiana hitondra ny vola kely azony ambiny nandoavana hofana posy. Nokendaina tamin’ny tady ny tendany ary notsindronina zava-maranitra ny vatany manontolo.

Faharoa dia tovolahy 35 taona monina tao Mangarivotra, koa no maty noho ny tsindrona antsy 09 be izao nahazo azy. Manomboka amin’ny lohany hatrany amin’ny tongony no nahitana ireo dian’antsy ireo. Tsy fantatra hatramin’izao ny antony namonoana azy. Ankoatra izay dia teratany Malagasy monina any alemana ary manana zom-pirenena alemana no niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amoron-dranomasin’i Toamasina ny alahady maraina tokony ho tamin’ny 01ora sy sasany. Nodonina fiara 4x4 izy ireo, ka ilay ramatoa maty teo no ho eo, izay vao telo volana izay no maty vady tany alemana. Ilay sakaizany izay Malagasy monina any alemana kosa dia mbola tsaboina eo anivon’ny hopitaliben’i Toamasina ankehitriny fa tapaka tongotra aman-tanana.

Ary ankilan’izay, dia vehivavy andeha hiangona maraina ny alahady teo no nipoahana gazy ka tapaka ny tongony. Ireo mpividy vy amoron-dalana ireny no nahatonga ny loza, satria teo am-pampirehetana ilay gazy hanapahana vy ireo mpividy vy no tonga ny loza, ka nipitika tany amin’ilay vehivavy ny tavoahangina gazy nipoaka ka nahatapaka ny tongony.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT