Politique

Tsy manome vola ny fanjakana Tsy maintsy mahita vahaolana ny CUA


  • Sabotsy 22 Oktobra 2016

Na eo aza ny fahasahiranana eo amin’ny tsy fahampian’ny teti-bola dia miezaka mitady lalam-bola hafa ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ahafahany manao ny

tamberin’adidy andrasan’ny vahoaka aminy, hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana, omaly, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, mikasika ny fampahafantarana ny tombontsoa ho azontsika ao anatin’ilay antsoina hoe CGLU na « Cités et Gouvernements Locaux Unis ». Izy ity moa, araka ny fitateran’ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Julien Andriamorasata, izay nanatrika ny kongresy momba izany tany Bogota, Colombie, ny herinandro lasa teo, azy dia fikambanam-be ivondronana renivohi-paritra sy tanàn-dehibe manodidina ny 200 isa. Ny kaominin’Antananarivo dia sady mpikambana ara-dalàna ao anatin’ny sampana misy izany aty afrika ary mpikambana ao amin’ny sampana eran-tany ihany koa.

Maro ny tombontsoa

Nanavao ny biraony moa, araka ny fampahafantarana natao ity fikambanambe ity ary dia ny ben’ny tanànan’i Johannesbourg, Afrika Atsimo, Parks Tau, izay mpiara-miasa akaiky tokoa amin-dramatoa ben’ny tanàna no lany hitarika izany birao vaovao izany. Maro ny tombony ho azo, hoy ny mpitatitra, satria dia rafitra ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny CGLU. Nozaraina traikefa mikasika ny fampiharana ny teknolojia amin’ny fampandrosoana haingana ny kaominina an-tanàn-dehibe ireo kaominina nandray anjara tamin’ny kaongresy ary nohamafisina ihany koa ny fahaiza-manaon’izy ireo mikasika ny teknika sy fitantanam-bola ao anatin’ny kaominina an-tanàn-dehibe. Nojerena manokana ihany koa ny mikasika ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina manoloana ny fanatontoloana ara-toekarena. Taorian’ny fitsidihan’ilay manampahaizana Amerikanina James Robinson tamin’ny herinandro moa dia tafiditra ao anatin’ny fitadiavan’ny kaominina loharanom-bola any ivelany hampivelarana bebe kokoa ny asan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izy ity miaraka amin’ilay tetikasa « agriculture urbaine » izay iarahana amin’ireo kaominina manodidina dia Ampitatafika, Fenoarivo ary Alakamisy.Tsapa ho nisy ainga vao teo anivon’ny kaominina hatramin’ny naha mpanolotsaina manokana an’i Marc Ravalomanana, izay efa nametraka fanamby fa tsy maintsy mandroso, madio ary milamina ny renivohitr’i Madagasikara.Fifanampiana  sy fifampiresahana no tena zava-dehibe, tsy maintsy mikaroka vahaolana mahomby sy maharitra koa anefa fa tsy mitarain-dava noho ny antsojay mety ataon’ny sasany.


Mirija

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT