Tsy misy andraso andraso intsony fa ho avy ny anjaran-dRajaonarimampianina sy ny ekipany raha ny fanehoan-kevitra nataon-dRakotomalala Henri na i Riribe omaly
. Manoloana ny olana mahazo ny firenena ankehitriny dia nambarany fa ny fanalana ny mpitondra tsy mahomby no hany vahaolana. Tsy nisalasala ny tenany nilaza fa hiroso amin’ny fanonganana izao fitondrana izao amin’izay ary tsy matahotra ra mandriaka ka amin’ny herinandro ambony dia ho raikitra ny tolona. Na hiafara amin’ny aiko aza dia vonona aho ary hatolotro ho an’ity firenena ity ny aiko, hoy hatrany izy. Tsy maintsy mitsangana ny tenako miaraka amin’ireo Malagasy tia tanindrazana hanala io fitondrana io. Hentitra ny tenany nilaza fa tsy misy rafitra ara-dalàna hoenti-manala ny mpitondra ankehitriny intsony eto. Reraka eto fotsiny isika raha ny solombavambahoaka no antenaina satria voavidy vola daholo ny ankamaroan’ireo, raha ny fanazavan’ity mpanao politika ity. Raha ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no hantenaina handray andraikitra dia tsy hisy izany. Mpanaraka baikon’ny fitondrana ireo satria ny mpitondra ihany no nametraka azy teo. Raha fifidianana no hanalana azy dia mbola tafapetraka eo ireo satria any aminy ny vola hividianany ny vahoaka Malagasy. Any aminy ihany koa ny harena izay nangalariny tamin’ny firenena. Tsy fahadisoana ny fidinana an-dalambe fa fanehoan-kevitra, hoy hatrany izy. Lalana roa no azo atao dia ny fifidianana sy ny fidinana an-dalambe saingy ity farany sisa no vahaolana farany. Manoloana ny sakana ataon’ny mpitandro ny filaminana dia nambarany fa zanaka Malagasy ireo. Mahalala ary mahatsapa fa tsy rariny ny zavatra mahazo ny firenena ankehitriny ka mino izy fa tsy hisakana ny tolon’ny vahoaka izy ireo. Hangotraka indray izany ny tanàna ato ho ato.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.