Fanamarihana ny faha-50 taonan'ny jono makamba teto Madagasikara no natao eto anoloan'ny biraon’ny Antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomasina sy an-tanety (APMF) eo amin'ny bord de la mer Mahajanga ny zoma lasa teo.
Raha ny zava-misy anefa ary nahavalalanina ny mpitazana dia miendrika fampielezan-kevitra izany satria ny sarin'i Hery Rajaonarimampianina no mivandravandra isaka ny iray metatra ary nameno ny toerana nanaovana ny lanonana. Ny tena nahatsikaiky, efa natao avokoa, ary nanakoako ren-tany ren-danitra ny dokambarotra sy ny fampahafantarana fa ho avy ny filoha saingy nahemotra ho amin’ity alatsinainy ity indray izany noho ny tsy fahavitan’ny fanamboaran-dalana petatoko izay hatao, isan’ny anton-diany aty rahateo ny hitokana izany. Efa tsy miafina intsony fa dia fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana no ataon'ny HVM. Aiza ka lalana tsy ampy 1km ve no ho tokanana ? Dia izay no anton-diany ao Mahajanga. Minisitra maromaro an’ity antoko eo amin’ny fitondrana ity no namarana ny herinandrony tao Mahajanga dia ny minisitry ny jono, ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny ny minisitry ny asa vaventy, ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana ary ny fambolena sy fiompiana. Natao ny sabotsy teo rahateo ny fifampiharahabana nahatratra ny taona 2017 an’ny antoko HVM tao Mahajanga.
Vahaniaina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.