Sesilany ny trangana tsy fandriampahalemana eto amintsika
. Manjaka ny fakana an-keriny raha tsy hilaza afatsy ny fakan’olon-tsy fantatra ny zanaky ny karana tompon’ny vondrona Eureka teny Ambohimanambola ny faran’ny herinandro lasa teo. Manginy fotsiny ny fanafihan-jiolahy etsy sy eroa kanefa tsy misy vokatra mivaingana azon’ny mpitandro filaminana amin’ny ankapobeny. Rehefa misy ny fahatrarana ireo olon-dratsy dia tsy mahatoky ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana intsony ny olona ka manjaka ny fitsaram-bahoaka toy ny nahafatesan’ny fokonolona jiolahy 2 tany Amparafaravola sy 2 hafa tany Tanambao Nosy be ny faramparan’ny volana septambra teo. Efa zary lasa fomba amam-panao ny famonoana olona kanefa mitazam-potsiny ny fanjakana na dia hita aza fa efa endrika fifamonoan’ny samy Malagasy ny zava-misy ary tsy ara-dalàna. Raha resaka fisakanana hetsika politika sy ny resaka fandraisana fivoriana iraisam-pirenena dia mahefa be ny mpitandro filaminana fa rehefa fampandriana fahalemana eny ifotony dia hambara fa sady tsy ampy fitaovana no tsy ampy olona ka izay no mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Manome vahana ny tsy fanarahan-dalàna izany ka any Ambovombe Androy, ohatra, dia efa maro ny mamaly tsy hampiharana didim-pitsarana ka mahavita manarama miaramila hiaro azy mihitsy.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.