"Tsy hiamboho adidy aho mon Général!"

50 taona katroka, teny nifono misitery


  • Alarobia 05 Febroary 2025

Teny nanamarika sy nahafantarana ny Kolonely Richard Ratsimandrava ilay hoe "Tsy hiamboho adidy aho mon Général!".

Raha tsiahivina fohy moa ny tantaran’izany Kolonely izany dia teraka ny sabotsy 21 marsa 1931, tao Mangarivotra, Antananarivo izy, hoy ny fampahafantarana voaray. Voalaza ho maty nisy nitifitra teo Ambohijatovo kosa ny 11 febroary 1975, izany hoe 6 andro taorian’io fehezanteny malaza nolazainy ny 5 febroary 1975 io, fotoana izay namindràn’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa ny fitantanana ny firenena taminy rehefa avy niandraikitra ny toerana maha minisitry ny atitany. Namafisin’ny mpanao gazety, izay azo lazaina hoe vavolombelon’ny tantara, Latimer Rangers, moa fa ny mpahaitantara frantsay efa nodimandry nanao fikarohana manokana momba an’i Madagasikara, Pr Françoise Raison Jourde, dia nanamarika tao amin’ny boky nosoratany fa efa maty tao amin’ny biraon’ny Jeneraly Gilles Andriamahazo ity Kolonely ity nialoha iny fitifirana nitranga teny Ambohijatovo iny. Hatramin’izao mbola mijanona ho misitery amin’ny ankamaroan’ny olompirenena malagasy kosa ny raharaha nahafatesan’ny Kolonely Ratsimandrava, mpitondra fanjakàna nandritry ny 6 andro monja. Heverina ho teny nifono misitery tahaka izany koa ity hoe «Tsy hiamboho adidy aho mon Général!». Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe efa nandindona mialoha ny Kolonely ve ny hitranga aminy? Fantany ihany koa ve fa tonga amin’ilay fomba fiteny hoe nandray vy mahamay izy raha nandray ny fitantanana manontolo ny firenena satria maro ireo nahatsiaro ho very fihinanana tamin’ny alalan’ny nametrahany ireo rafitra ifotony samihafa fony izy niadidy ny atitany tahaka ny Vatoeka na Vaomieran’ny toekarena na ny fametrahana ny nantsoina hoe «Raharaha ikambanana», indrindra moa, fa ny fanomezan-danja ny atao hoe Fokonolona, izay naha raikitra ny anarany mihitsy hoe «Rain’ny fokonolona»? Ho tsaroana afaka 6 andro indray, araka izany, ny faha 50 taonan’ny raharaha Ratsimandrava. Isan’ny nanamarika ny tantaram-pirenena izany rehetra izany saingy heverina fa fanontaniana mipetraka hatrany kosa ny hoe inona no lesona noraisintsika taranaka aty aoriana izay hanohy ny tantaran’ity firenena ity?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT