Politique

Tsy filantsahan-dRavalomanana Ny hevitr’ireo mpahay momba ny fifandraisana iraisam-pirenena


  • Zoma 14 Desambra 2012


 1. Inona no mety ho antony nampihemotra azy tampoka teo nefa nihizingizina izy hatrizay ?

Radanoara Julien : Tonga amin’ny tanjony ny frantsay satria io tsy filatsahan’i Marc Ravalomanana io no nokendreny. Tsy olana aminy i Andry Rajoelina satria efa vitany ny nilany azy ary mino aho fa manana olona hasolo azy Lafrantsa. Aza adinoina fa olon’ny Frantsay ny ankamaroan’ireo kandida ireo ary i Roland Ratsiraka aza vao nilaza fa sady “Francophone et Francophile”. Tsy maintsy nisy tsindry avy amin’ny Frantsay tany ambadika tany nampiova hevitra an-dRavalomanana fa nalefa tamin’ny alalan’i Afrika Atsimo sy Tanzania. Vao tany Frantsa rahateo ny minisitry ny raharaham-bahiny tanzaniana. Mety nisy fifanarahana tao satria mila ny fanohanan’i Lafrantsa i Afrika Atsimo izay mikasa hirotsaka ho mpikambana maharitra ao amin’ny filankevitry ny filaminana eo anivon’ny Firenena Mikambana. Mety ho tambiny izany tsy firotsahan’i Marc Ravalomanana io. Tena saropady mihitsy i Madagasikara eo amin’ny lafiny “géopolitique” sy “géostratégique” aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Voadidin’ny Frantsay mihitsy isika amin’ny alalan’ireo Nosy frantsay isan-kazany. Tsy misy firenena erantany tena voadidina firenena lehibe tahaka antsika. Tokony ho fantatsika fa tsy mila an’i Frantsa isika fa zareo no mila antsika. Eto anie no be teratany frantsay sy lisea frantsay be indrindra aty Afrika.    

Tiana Andria : Ny tiako hampitaina amin’ny vahoaka Malagasy sy ny mpitondra ary ny mpanao politika dia ny hoe “nampiasa ny fomba fiteny diplaomatika ny SADC raha niangavy azy mianaka tsy hirotsaka amin’ny fifidianana satria manaja ny maha firenena mahaleotena antsika izy. Raha ny marina ilay endrika fiangaviana dia midika hoe tsy tokony hirotsaka mihitsy ry zareo. Misaotra an’ny filoha Marc Ravalomanana nametraka ny hambom-pony fa tena zava-dehibe izany. Isaorana ny SADC nahita io vahaolana io. Tokony hisy fifandanjana anefa io fanapahan-keviny io izany hoe tokony hanao torak’izany koa ny filoha Rajoelina. Tany amin-dRavalomanana foana no sakana teo aloha ary amin’izao dia tsy mitombina intsony ny filazana “fa tsy miova mihitsy iny rangaha iny”. Mino aho fa tsy lany Olomanga na ny andaniny na ny ankilany ka handrotsaka olona.

2. Mety misy tambiny ve naneken’i Marc Ravalomanana tsy hilatsaka ? 

Radanoara Julien: Izaho mino fa misy. Rehefa dinihana dia heveriko fa mety kokoa amin’i Marc Ravalomanana ny fahafahana mody sy miverina ny fananany simba noho mandray risika milatsaka nefa mety tsy ho lany amin’izay fotoana izay ? Izaho koa tsy mihevitra hoe ny vadiny na ny zanany Tojo Ravalomanana no harotsany. Aza adinoina fa ny SADC tsy hiala eto raha tsy milamina ny raharaha eto ary mitady ny vahaolana rehetra hisian’ny fifidianana demokratika.

Tiana Andria:  Inona moa no mahaory ny filoha Marc Ravalomanana. Izaho mihevitra fa nametraka ny hambom-pony izy noho ny tombontsoan’ny firenena ary izay no tena fitiavan-tanindrazana. Sady tsy TIM aho no tsy TGV fa amiko dia tsy mety intsony ny mbola hitsarana azy araka izay katsahan’ny mpanao politika sasany. Izay olona mivoy izay resaka izay amiko dia mitady fanakorontanana eto amin’ity firenena ity satria tsy misy izay tsy nanota teto. Aleo handeha ilay fitoniana efa ezahana apetraka. Tsy midika anefa izany hoe atao tsinontsinona ireo naratra sy maty tamin’ny 07 febroary 2009. Tokony hapetraka haingana koa ny satan’ny filoha teo aloha.

3. Inona no zavatra hisy raha misisika mirotsaka hofidiana i Andry Rajoelina ?

Radanoara Julien : Dia tena ho ratsy laza eran’izao tontolo izao izy satria efa zava-doza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireny fandavany ny soniany taloha ireny. Misy fiatraikany eo amin’ny lafiny politika, ekonomika ary sosialy izany. Marina fa tsy voatery harahana ireny fanapahan-kevitra iraisam-pirenena ireny raha ny lalàna saingy misy akony lehibe kosa amin’ny lafiny politika. Misy firenena ho marisarisa hifandray aminao na amin’ny lafiny ara-barotra na amin’ny lafiny fampiasam-bola koa aza. Izany hoe tsy hahazo vola avy any ivelany ianao ka hihamafy ny olana ara-tsosialy noho izany. Na hilatsaka aza ka lany Rajoelina dia minoa ahy fa tsy hipetrapetraka fotsiny ny Amerikanina. Vao nitokana an’iny “Coliseum” iny anie izy dia efa avy ny masoivoho amerikanina amin’ny resaka tsy fanajana zon’olombelona tamin’ny alalan’ny “facebook” e . Tadidio fa lava tanana ny Benkitana ary anisan’ny ahitana izany ny tatitry ny Amnesty International.  

Tiana Andria : Tsy azo heverina izay. Mandeha ambaratongany mantsy ny sazy izay mahazo antsika izao ary mino aho fa samy miaiky ny fisian’izany isika rehetra. Tsy misy mantsy ny fankatoavana iraisam-pirenena rehefa voasazy ary hain-dry zareo koa ny mampisy fiatraikany amin’ny vahoaka. Hitantsika ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Koa raha mihamafy hatrany ilay sazy dia hanahirana ilay hanala fanadinana rahampitso rehefa hiatrika vahoaka. Basy atifi-kavana ny ahy ka ny tena “namana” dia izay tsy mijery arina an-tava fa tsy ilay misiotsioka any ambadika any nefa mampiditra anao amin’ny lalina. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT