Politique

Tsy aritra Vavaka mihambahamba !


  • Talata 21 Jona 2011

Mba somary nanaitra ny maro ihany ny fihetsiketsehan’ny mpitondra ao amin’ny FAT tamin’ny fanombohana ny fankalazana ny fetim-pirenena satria tamin’ny alalan’ny hetsika ara-pivavahana goavana teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no nanaovana izany nandritra ny ora dimy be izao.

 Tsy ny hoe mivavaka sy midera an’Andriamanitra akory no ratsy, hoy ny raim-pianakaviana iray, fa kosa ny fampiasana ny fivavahana hambaboana ny fon’ny olona. Tsy hitsara olona sanatria araka ny filazany fa mba mahagaga ihany raha olona mpamadika palitao sy mpamita-bahoaka no miantso azy indray hihavana sy hidera an’Andriamanitra, ary vao mainka ozona ho an’izay manao azy ny vavaka mihambahamba. Nahazo fanakianana mafy tamin’io fampidirana ny fivavahana tamin’ny raharaham-panjakana io Atoa Marc Ravalomanana izay sady filoha lefitry ny FJKM ihany koa, saingy mahita ny maro amin’izao fotoana fa ireo tena nanakiana azy indrindra no manao fitaovana ny fivavahana hisintonana olona hanaraka ny foto-keviny.

Manohy ny fanehoan-keviny ihany ity raim-pianakaviana ity ka nilaza hoe : «tena marina mihitsy fa hain’Andriamanitra ny zava-drehetra, ary tena nisy antony mazava matoa mitranga eto amintsika izao krizy izao, misy antony matoa nisy nirodana sy nisy nisandratra saingy aoka tsy ho tia tena isika na mieritreritra fa rehefa manana fahefana dia manana ny zo rehetra hanao izay tiana, fa matoa tonga amin’ny fitantanana ny firenena dia olom-boafidy sy manana andraikitra tsy maintsy tanterahana, koa raha mivily amin’io lalana io ilay mpitondra dia hikorontan-dava ity firenena ity. Tsy tokony hatao fombafomba isaky ny misy fety sy lanonana ny fivavahana fa iainana isan’andro raha tena te hahita fitoniana marina isika».

Dia tena mahagaga sy mahatalanjona tokoa fa maro amin’ireo mpanao politika sy mpitondra fanjakana no kristianina mivavaka isak’alahady ary manana ny maha izy azy any amin’ny fiangonany, kanefa toa isak’alahady ihany izy ireo no mahay mihavana sy mifandray tanana, fa ny ankoatr’izay dia mifandrafy sy ny mifanenjika ary mifamingana. Maro amin’ireo mpitondra fivavahana no efa milaza fa ny fiverenana amin’Andriamanitra irery ihany no hanavotra an’i Madagasikara satria efa be loatra ny fahotana natao teto sy ny ra latsaka ary fitaovana fotsiny ihany ny politika sy ny sori-dalana, saingy matetika moa tsy dia mahataitra firy ny olona, indrindra fa ireo mpanao politika izany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT