Politique

Tsy aritra Tsy vitan’ny torapo ny fitantanana ny firenena


  • Talata 07 Septambra 2010

Mitalaho mafy amin’ny filohan’ny FAT Andry Nirina Rajoelina ny mba hilatsahany hofidiana filoham-pirenena ireo mpomba azy, ary mamerimberina io antso io isan’andro ao amin’ny haino aman-jeriny, ny radio Viva io.

Ambaran’izy ireo fa tsy tokony hanao soa tapany fa hanohy ny tolona ny filohan’ny FAT satria, hono, tsy misy olon-kafa manana fandavan-tena tahaka azy. I Andry Rajoelina anefa dia efa nilaza fa tsy hilatsaka hofidiana ny tenany, ary efa nanasonia ilay fifanarahana politika teny Ivato, manamafy ny tsy fahazoan’ny mpikambana ao amin’ny tetezamita milatsaka hofidiana amin’ny fifidianana rehetra hatao eto. Resy lahatra ireo mpanohana mahafatrapo an’i Andry Rajoelina fa mahavita azy ny filohan’ny FAT ary afaka mitondra an’i Madagasikara amin’ny tena fahaleovantena fa tsy hiankin-doha intsony amin’ny vahiny. Hita porofo mivaingana, hono, izao fa mandeha tsara ihany ny fiainam-pirenena na dia tapaka tanteraka aza ny famatsiam-bola avy any ivelany.

Ka izay indrindra no tsy aritra, ary mahalasa ny saina hoe : mba mijery lavitra ihany ve ireo olona mieritreritra izany sa tsy mahalala afa tsy ny anio ? Tsy tsapan’izy ireo mihitsy ve fa tena latsaka an-katerena ny firenena, ary tsy latsaky ny 10 taona ny fanarenana izao krizy izao ? Tsy ho vitan’ny Malagasy samirery izany fa tsy maintsy mila ny famatsiam-bola avy any ivelany. Efa mba fantatr’ireo olona ireo ve ny tatitry ny mpandinika sy ny manampahaizana any ampitan-dranomasina fa mety ho mafy lavitra noho ny any amin’ireo tany miady ny fanarenana ny toekarena potiky ny krizy eto Madagasikara ? Moa ve mahafantatra ireto mpanohana mahafatrapo an’i Andry Rajoelina ireto fa tsy azo atao torapo ny fitantanana ny firenena, ary ny paik’ady nety omaly anie ka mety tsy handaitra intsony anio, ary efa hilaozan’ny toetrandro indray rahampitso e ! Fa tena tsy aritra ihany koa ity filazana ity foana fa tohanan’ny vahoaka Malagasy ny fanovana nentin’i Andry Rajoelina, ka mitondra fanontaniana manao hoe : raha notohanan’ny vahoaka maro an’isa marina izy, dia nahoana no nanaiky nifampiraharaha tamin’ny olona naongany sy nolazainy fa efa antitra ka tokony hipetraka tsara amin’izay ?

Inona no antony tsy hahasahian’i Andry Rajoelina tonga dia manohy ny fandaharan’asany fa mandroso mihemotra foana, manaiky manasonia, avy eo tsy mety manatanteraka izay nekeny. Sa ve misy mpitari-bato vilam-bava ireo mpanolotsaina azy ? Lazaina fa tsy mahavita azy intsony ireo Ankolafy Telo, kanefa ny hita dia tsy mifanalavitra amin’izy ireo ihany ny ankolafy Rajoelina sy ny FAT, raha ny famahana ny krizy no resahana. Efa mba nandinika ve ireto mpanohana mahafatrapo ireto fa mety efa fantatr’i Andry Rajoelina fa tsy mahazaka olona tsara izy no sady tsy mahazaka mitantana firenena no antony tsy hilatsahany ? Efa mba nahazo lesona ihany mantsy na dia mbola tanora aza ny filohan’ny FAT ka tsy hanao «suicide politique» mihitsy, na dia maro amin’ireo manodidina azy aza no manosika azy hanao izany. Azafady mba diniho tsara ihany ilay izy fa aza manao tora-po be loatra e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT