Rehefa dinihana ny efa-taona nitantanan’i Andry Rajoelina ny tetezamita, dia maro no mihevitra fa ny tsy fahaizana mifandray amin’ny any ivelany no tena tsy nahatafavoaka ny FAT, ka nahatonga azy tsy maintsy niverin-dalana ka nanaiky indray ny fiaraha-mitantana araka ny nambaran’ny tondrozotra.
Ary rehefa tena nodinihina akiky tokoa dia tsy misy olona hoe tena mahay sy manana traikefa ary mahafehy io resaka diplaomasia sy fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena io manodidina ny filohan’ny tetezamita. Tsy misaraka amin’i Andry Rajoelina fa dia eo anilany foana rehefa misy ny fivoahany any ivelany Atoa Norbert Lala Ratsirahonana, izay mpitsara efa filohan’ny HCC ary efa filoham-panjakana nitantanan tetezamita, anisan’ireo dinaozôro politika eto Madagasikara. Manaraka azy Rtoa Annick Rajaona, talen’ny fifandraisana iraisam-pirenena ao amin’ny prezidansa nianantra manokana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fifandraisana iraisam-pirenena tany Paris, ary i Maharante Jean De Dieu, mpitsara manampahaizana manokana momba ny lalàna iraisam-pirenena, governoran’i Toliara teo aloha, saingy nivadika tanteraka tamin-dRatsiraka rehefa nahazo avara-patana tamin-dRajoelina. Ireo no anarana tena malaza sy fandre matetika amin’ireo mpanolotsain’ny filohan’ny tetezamita momba ny fifandraisana sy fifampiraharahana amin’ny any ivelany, fa mbola misy koa anefa ny olon-kafa.
Tsy nahatafavoaka ny baolina samirery i Andry Rajoelina sy ny ekipany satria tsy nankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy, na dia efa nanohana mafy dia mafy aza i Lafrantsa. Azo heverina koa arak’izany fa tsy mahavita azy ny ekipan-dRajoelina raha diploamasia no resahana. Ary somary mampihomehy ihany indraindray fa ahilik’izy ireo any amin’ny filoha teo aloha indray ny tsy fahaizan’izy ireo, ka ambara fa i Marc Ravalomanana hono no mitety izao tontolo izao manaratsy ny fitondrana tetezamita. F’angaha moa Atoa Marc Ravalomanana no olona mahay sy henjana indrindra amin’ny diplaomasia eto amin’ity planeta tany ity, no hahavita handresy lahatra ireo firenen-dehibe rehetra sy ny ankamaroan’ny fikambanana iraisam-pirenena e ? Maro ireo firenena nisy krizy politika sy fanonganam-panjakana taorianantsika kanefa efa nahavita fifidianana roa na telo, fa i Gasikara ihany no tara lava satria tsy mahavita azy ny mitondra tetezamita, faly nanakiana ny hafa fotsiny, rehefa nahazo fitondrana anefa tsy hita akory izay tena fahaizana mitantana sy mitondra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.