Mampiaka-peo indray ireo mpikambana CST manohana an’i Alain Ramaroson nho ny fihetsiky ny mpitandro filaminana saika haka ity filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana ity, teny an-tranony mba ho entina hatao fanadihadiana eny amin’ny zandary.
Nisy mpikambana CST vitsivitsy tonga teny Andoharanofotsy misy ny trano fonenan’i Alain Ramaroson, naneho firaisankina. Nilaza fa tsy hanaiky lembenana izy ireo, ary dia hiaro an’i Alain Ramaroson hatramin’ny farany. Dia asa indray izay ho fihetsiky ny Emmo-Reg, hilefitra ve ka tsy ho sahy hisambotra sa hanafika mihitsy ny toeram-ponenan’i Alain Ramaroson ka hanao sarika am-pandriana. Ny fanononana ny anaran’ny praiminisitra lefitra Hajo Andrianainarivelo moa no antony tsy maintsy hanaovana fanadihadiana an’i Alain Ramaroson eny amin’ny zandary.
Ny CST Sylvain Rabetsaroana nilaza fa efa nisy anefa ny fifampiraharahana nataon’ny andaniny sy ny ankilany ka efa nifanekena fa hajanona ny fifampitoriana sy fifanenjehana satria manaratsy endrika ny fitondrana tetezamita, saingy mbola izao tonga amin’ny mety ho fisamborana an’i Alain Ramaroson izao. Efa nosoratana teto ihany fa mety hitera-doza ho an’i Andry Rajoelina ity raharaha ity, raha toa ka tsy mitandrina izy sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, satria mpanao politika efa tena voky traikefa no indreto fa mijoro miaro an’i Alain Ramaroson, ary tena vitan’izy ireo mihitsy ny mamadika ny fotsy ho mainty. Samy milaza fa tsy matahotra ny andaniny sy ny ankilany, koa dia ho hita eo indray izay tena sahy. Raha ny fahafantarana an’i Alain Ramaroson hatramin’izay aloha dia sahy izy, ary mety efa niomana amin’ny zava-drehetra. Vao maika moa fa nahazo ny fanohanan’ny mpikambana CST maromaro sy ny fiarovan’ny filohan’ny CST ny jeneraly Rasolosoa Dolin. Nahita hevitra foana hampanginana ireo nanohitra na sahy nanakiana mivantana azy ry Andry Rajoelina, hatreto aloha ka asa indray izay ho apoakan’izy ireo amin-dradadatoa Alain.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.