Samy nahatsikaritra ny rehetra omaly fa tsy nikabary ny solontenan’ireo masoivoho vahiny sy sampandraharaha iraisam-pirenena miasa eto amintsika.
Tsy tongatonga ho azy izany fa misy antony ara-diplaomatika, ary fomba filazana amin’ny fomba mihaja fa tsy mankasitraka ny zava-misy eto amintsika amin’izao fotoana ny sehatra iraisam-pirenena. Ary ny mampanahy dia mety mbola hihamafy amin’izay ny fanilihan’ny avy any ivelany an’i Madagasikara taorian’ny kabarin’ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, omaly izay tena nanambara mazava fa tsy mila ny fanampiana sy fanohanana avy any ivelany izany isika satria manana harena ankibon’ny tany azo ahodina, hampandrosoana ny firenena sy hanaovana izay tetikasa rehetra tokony hatao.
Efa niandry mafy ny fanambaran’i Andry Rajoelina ny tsy haha kandida azy koa, raha ny fahitana ny sehatra iraisam-pirenena, saingy mazava tamin’ny kabariny teny Iavoloha omaly fa dia ho kandida i Andry Rajoelina fa tsy hanaiky ilay «ni…ni». Maro no mihevitra fa mety efa nahita paikady hahazoana vola be avy amin’ny fitrandrahana ireo harena ankibon’ny tany eto, angamba i Andry Rajoelina matoa tena sahy miantsy ady amin’ny sehatra iraisam-pirenena tahaka ireny. Marina fa tanora ny filohan’ny tetezamita, saingy heverina fa mahalala ny zavatra teniny fa tsy sanatria ka hoe hiteniteny foana eo imason’olona an’arivony sy manoloana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, tahaka ireny omaly ireny fa matoa izy sahy dia ao raha. Kinga tamin’ny fanetsehana ny fitrandrahana vy tany Soalala ny fitondrana tetezamita dia nahazo 100 tapitrisa dolara, efa nirosoany ihany koa ny fitrandrahana fasimainty tany Manakara sy ny manodidina, nihazakazahany ny resaka fitrandrahana solika, ary tsy mbola fantatra izay fitrandrahana harena ankibon’ny tany hafa, efa manomboka any ambadimbadika any.
Tsy hoe tsy manan-katao tsy akory ny sehatra iraisam-pirenena ka hitalaho amintsika hoe : aleo ianareo mba omenay vola, fa mety hitazam-potsiny amin’izay izy ireo manomboka izao, ka tsy hahazo vola intsony ny CENIT hikarakarana ny fifidianana fa dia mety ho ny volan’ny fitondrana tetezamita manontolo izany no hatontona ao. Dia mety sady ho mpikarakara ny fifidianana, no mpamatsy vola no sady ho kandida izany i Andry Rajoelina, ka inona ny filaminana sy fitoniana azo antenaina amin’izany e ? Azo antoka fa tsy maintsy hisy akony amin’ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny any ivelany ny kabary feno fihantsiana sy avonavona nataon’ny filohan’ny tetezamita omaly iny. Koa dia miandry ny fidonany e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.