Tsy afa-bela tamin’ny rivo-piovana koa ny teo anivon’ny Foloalindahy tamin’ireny zava-niseho ny taona 2009 ireny, ka dia naongana tamin’ny hery sy ny basy ny lehiben’ny Etamazaoro tamin’ny fotoan’androny.
Nanomboka teo ka mandrak’ity ny anio dia ireo miaramila mpioko no tompon’ny fibaikoana sy ny fahefana, mandidy sy manapaka ny sehatry ny Foloalindahy Malagasy. Maro no mahatsapa ankehitriny fa samy manao izay saim-pantany ireo lehibe nandrombaka fahefana. Miray feo izy ireo rehefa misy manohintohina ny fahefany sy ny tombontsoany, fa ny fitantanana ao anatiny kosa dia samy lehibe amin’ny toerany toa raisin’izy ireo toy ny fananany manokana izany aza ny Tafika Malagasy. Misy maka ny tany atsy, lasa ny trano aroa, ny fiara sy fitaovana manginy fotsiny. Mbetika no andrenesana tarainan’ireo vady miaramila fa tsy tonga eny am-pelatanana akory dia efa misy mandrombina ny karaman’ny vadin’izy ireo.
Raharaha iray anisan’ny nahabe tsikera teo anivon’ny foloalindahy ihany koa ny fiakarana galona, toy izany koa ny fandehanana manao fiofanana. Farafamparany teo aza dia maro ireo miaka-midina eny Andohalo eny, mba te ho voaray miaramila raikitra. Fa mampiteny ny moana ny tsy fanajana ny laharamboninahitra sy ny ambaratongam-pahefana eo amin’ny sehatry ny asa. Vokany, maro ireo miaramila indrindra ny manamboninahitra no tsy an’asa nefa mandray karama, izay ny galona kolonely no maro an’isa, ka lasa “CST” na (Colonel sans travail). Re ombieny koa ny fimenomenon’ireo miaramila mpanatanteraka alefa hidina an-tsehatra rehefa mafanafana ny toe-draharaha, toy ny tamin’ny raharaha BANI fa tsy tonga any amin-dry zareo ny vola tokony ho azony, nefa ren’izy ireo fa vola be no nandehandeha tany.
Noho ny fivoaran’ny toe-draharaha dia iaraha-mahita fa tsy re nanao fanambarana ry zareo indrindra ny mikasika ny fiverenan’Atoa Ravalomanana Marc, fa araka ny feo mandeha dia ny praiminisitra Beriziky no anaovan’izy ireo ramatahora mba hanakanana ny fiavian’ny filoha teo aloha, sy tsy hamoaka didy hanafaka ireo miaramila voatazona am-ponja any Tsiafahy sy Antanimora. Izao dia re indray fa misy amin-dry zareo mikotrika ny hanao ”Directoire Militaire” nefa tsy misy mpanaraka, ary misy aza ny milaza fa, tsy mitovy hevitra intsony ny samy lehibe.
Telo taona izay no lasa, misamboaravoara anaty ny eo anivon’ny foloalindahy, manaporofo izany ny fisiana miaramila telopolo mahery, ka manamboninahitra ny ankamaroany, any am-ponja. Ny fifanarahana ara-politika ankehitriny dia hamerina ny firenena amin’ny ara-dalàana ka dia sahiran-tsaina tokoa ireo miaramila mpioko nandray fahefana hatramin’izay naha teo ny praminisitra avy amin’ny antoko mpanohitra izay. Inona no hataony raha tonga i Dada, toy izany raha mivoaka ireo miramila nogadrainy ? Ny mampalahelo dia marary ny foloalindahy, very hasina, ka sao dia mba tokony hanaovana “assises militaires” vaovao indray !
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.