Politique

Tsy aritra ifampizarana Ho an’ny Malagasy tia tanindrazana


  • Zoma 03 Septambra 2010

Fijoroana vavolombelona ataona Malagasy iray niaina fotoana vitsy tany Rwanda no andeha ifampizarana eto. Nanaitra azy ny hoe : tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy no tsy maintsy nianaran’ny Rwandey ny teny anglisy izay lasa teny vahiny ampiasaina, eo anilan’ireo tenim-pirenena ifandraisan’ny mponina.

Nanaitra ity Malagasy ity tany ny resaka nifanaovany tamin’ny Rwandey, satria tsapa ho latsaka lalina tao amin-dry zareo sy ampihariny eo amin’ny fiainany andavanandro ny fitiavany ny tanindrazany sy ny lesona noraisiny tamin’ny ady an-trano nahafatesana olom-pirenena an-tapitrisany 15 taona lasa izay. Tokana sy iraisan’ny rehetra ny tanjona ankehitriny, ho an-dry zareo Rwandey, dia ny hanandratra an’i Rwanda sy ny Rwandey satria tsy lahatra ny ady an-trano sy ny fahantrana ary ny ampihi-mamba ataon’ny mpanjanaka isan-karazany teo aloha sy ny vaovao. Tokana ny fenitra ho an-dry zareo Rwandey : mandray an-tanana ny fiainam-pirenena sy ny fiainan’ny olom-pirenena ary mihazona sy miaro toy ny anakandriamaso hatrany ny fiandrianam-pirenena. Mahatsapa sy miaina isan’andro ny fiovana goavana sy tsara ho an’ny taniny sy ny mponina rehetra ao ry zareo hatramin’izay nitondran’ny Filoham-pirenena Kagame izay. Mafy ny asa, ny fitsipi-pifehezana. Mila tsy ho omby tratra ny fihafiana sy ny adidin’ny tsirairay manoloana ny firenena sy ny mpiara-belona, mafy ihany koa ny fanatsatsoan’ny firenen-dehibe sasany (loha laharana amin’ireny Lafrantsa), kanefa tsy mampihemotra azy ireo izany, fa vao mainka aza manindrona ny hambom-pony ka mampitombo hatrany ny fikirizany.

Rwanda dia tany tsy mitsaha-mandroso, madio, mahafinaritra sy mahavelom-panantenana, hoy ny fijoroana vavolombelona nataon’ity Malagasy ity. Ny mponina mijoro, manana hambom-pom-pirenena, miasa sy mikely aina ary liana hatrany hianatra sy hifofotra hampandroso ny tanindrazany sy ny vahoaka ao aminy. Tsy mitafy henatra fa ny mifanohitra amin’izany ny olom-pirenena any Rwanda. Filoham-pirenena tsy manao kilalao ny fiainam-pirenena sy ny fivoaran’ny fiainam-bahoaka ary ny fandrosoan’ny firenena ny filohany ka hentitra sy sarotiny indrindra amin’ny fiandrianam-pirenena sy ny fanatanterahana ny politikam-pandrosoana nifanekena.
Dia lasa ihany ny saina. Rwanda, Madagasikara tantara roa samy hafa, kanefa misy ifandraisany maro sy lalina. Lavitra loatra ary ve ny 1949 ka tsy nahafahantsika nahatsinjo hatrany am-boalohany fa tantara mitohy iny ? Nolambolamboina isika fa tantara efa navalon’ny lasa iny, efa mpinamana isika izao, kanjo ny mpandambolambo mbola ny kibay an-kelika teo akaiky teo, eo akaiky eo hatramin’ny anio. Sa kosa nandaitra loatra ilay fanabeazana mody natao hampitovy ireo solofo dimbin’ny ala amin’ireo “efa namana izao”, ka very nafoy tamin’izany ireo soatoavina mandrafitra ny maha Malagasy ? Mby aiza izao ny firenena izay efa teo am-piarenan-doha ka ny fivoarana efa nanomboka sy niainga tsara teto Madagasikara, niaraka tamin’ny Filoham-pirenena voafidy ara-dalàna Ravalomanana, toa lasa nofy handatsa sisa ?
 
Ny reny no fototry ny firenena amin’ny maha kitapo nifonosana sy mpitaiza ary mpanabe voalohany azy. Ny reny no mampita ny teny enti-mamantatra ny tontolo sy mandrafitra ny saina amam-panahy. Ny reny no naha tokana ny teny malagasy na dia miova endrika isaky ny faritra tsirairay aza izany teny izany. Taizao tsara re ny ankizy mba ho olom-banona manaja sy manoa izay tandrifin’izany, sao haningotra ny aina sy ho henatry ny fianakaviana hatramin’ny taranaka faramandimby, ary horaketin’ny tantaram-pirenena ho “mpanimba ny tany”!
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT