Politique

Tsy Aritra Hanilika ny rihatra…indray ?


  • Talata 08 Janoary 2013

Re fa dia miomana fatratra ny amin’ny fiatrehana ilay lanonana fifampiarahabana rahampitso ny ao an-dapa ao.

 2000 moa ny vahiny nasaina hifety ahitana ireo manampahefana sivily sy miaramila, ireo masoivoho vahiny eto amintsika, ny solontenan’ny antoko politika sy fikambanana tsy miankina isan-karazany ary ny avy amin’ireo fiangonana sy antokom-pinoana maro samihafa. Ireo mpanohana mandra-pahafatiny an’i Andry Rajoelina dia mino sy matoky fa hahafinaritra ny fety ary hafonja ny kabarin’Atoa filoha. Nanomboka omaly alatsinainy ny fanasana atidoha ny vahoaka ny amin’ny hoe : nahavita be izao fitondrana tetezamita izao na dia tsy nisy famatsiam-bola avy any ivelany aza. Nambaran’ireo mpanohana an-dRajoelina koa fa matahotra ny hahalany ity farany amin’ny fifidianana, hono, ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny SADC ka izany no antony nametrahana ilay «ni…ni».

Ny hevitra tera-bary marina, ary samy manana ny fomba fijeriny ny zava-misy ary miankina amin’ny lokon’ny solomaso anaovana ny fahitana ny tontolo manodidina. Tena mbola misy ny mihevitra fa madio tsy misy pentina ary tena anjely ny filohan’ny tetezamita fa dia ilay iraika lahy teo aloha foana no diso, na farafaharatsiny dia ireo manodidina an’i Andry Rajoelina no tsy mahay ny asany na manipy hoditr’akondro. Raha tsy izany dia ny mpanohitra no lazaina fa sakana amin’ny fivoahana amin’ny krizy. Raha tena nahay sy nahiratra anefa i Andry Rajoelina ary raha tena mino an’Andriamanitra amin’ny fo, fa tsy amin’ny vava sy ny fihetsika fotsiny, dia tokony ho efa ela no vitany ny nampihavana ny Malagasy, no sady hainy ny niara-niasa tamin’ny sehatra iraisam-pirenena dia nivaha ny krizy. Rehefa tsy mahavita azy dia tokony hiaiky, fa tsy manilika ny rihatra any amin’ny hafa foana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT