Mivezivezy tahaka ny firaka atakalo ny fahitana ny filohan’ny tetezamita sy ireo mpiara-miasa aminy, amin’ny fitadiavana fanampiana sy fanohanana avy any ivelany.
Kaontinanta efatra dia Azia, Afrika, Eoropa ary Amerika no notetezin’izy ireo hatramin’ny nanasoniavana ilay tondrozotra. Misy ny fitsidihana ofisialy fa tao koa ny dia miafina. Anisan’ireo firenena efa naleha, ohatra, ny tany Tiorkia, Chine, Arabie Saoudite, Qatar, Maorisy, La Réunion, Seychelles, Afrika Atsimo, Mozambika, Angola, Etiopia, Frantsa, Luxembourg, Etazonia. Hetsika diplaomatika sy fikarohana famatsiam-bola no tena tao ambadiky ny dia tany amin’ireo firenena ireo. Nisy ny dia nifanojo tamina fivoriana, fa tao ny dia manokana nataon’ny filohan’ny tetezamita na ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Farany teo moa dia tany Israely i Andry Rajoelina nombam-bady aman-janaka ary nihaona tamin’ny filoha Shimon Peres.
Hatreto anefa dia tsy mety mahatafavoaka ny baolina i Zandry Kely, ary na ireo mpiara-milalao aminy fahiny aza dia efa miomana ny hangoron’entana ka handao ny ekipa, satria tsy mety mandresy na dia efa manao baolina an-kamely sy nividy mpitsara aza. Ny mpijery rahateo efa manomboka tofoka amin’ity ekipa toa be fihetsiketsehana am-boalohany kanefa tsy manana endri-dalao mihitsy fa tena miantehitra amin’ny angovo sy ny rahom-bava fotsiny. Izao vao mahita ny ankamaroan’ireo olona niaraka tamin-dRajoelina tamin’ny 2009 fa tena diso paikady izy ireo, tamin’ny fitantanana ny tetezamita. Ny hery sy ny vola ary ny fahaizana koa moa nafantoka tamin’ny fanapotehana an-dRavalomanana fa tsy mba nikarohana ny tena vahaolana hamahana ny krizy ka tsy mahagaga raha izao no iafarany. Kilema lehibe ho an’izao tetezamita izao ny tsy fankatoavan’ny Amerikanina hatramin’ny farany an’i Andry Rajoelina, nitombo ny fahoriana izao rehefa manomboka misintaka koa ny Frantsay. Mazava ho azy fa hitazam-potsiny ny Vondrona Eoropeanina, ary na dia ireo mpanambola avy any amina firenen-kafa aza dia tsy tena mbola sahy miroboka eto aloha satria tsy misy ny fitoniana.
Nidehaka ery ny fitondrana FAT raha tonga teto ilay miliardera Saodianina voalaza fa hampihodina ny Hotely kintana 5 eny Ivato. Aiza ho aiza izy izao ? Kabary sy fampanantenana no natao betsaka teto, fa rehefa tena dinihana ny asa vita dia maivana be. Tsy hahavita hitantana an’i Madagasikara sady hamalifaliana vahoaka raha izay 100 tapitrisa dolara azo tany amin’ny Wisco. Mety ho noho izany angamba no tsy mampitombina an-dRajoelina io fa mitady vola sy mpiara-miasa etsy sy eroa. Raha izao no mitohy dia mety ho henjakenjana ihany ny fahatezeram-bahoaka atsy ho atsy. Be fihetsiketsehana ilay ekipan-dRajoelina, saingy miandry kisendrasendra sy manantena taim-baolina fotsiny kay !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.