Miezaka mihetsiketsika fatratra ny ekipan’i Andry Rajoelina amin’izao.
Nisy ny fambolen-kazo natao teny Antsimondrano niarahan’ny Vondrona MAPAR Ampitatatafika sy ny fikambanana Pro ANR ny sabotsy lasa teo. Nandritra io fotoana io vao nipoitra sy niloa-bava indray i Augustin Andriamananoro taorian’ny nivoahany avy any am-ponja. Miezaka mampiseho hery ireo mpikambana ao anatin’ny vondrona MAPAR/TGV, kanefa ny lehiben’izy ireo aza toa efa resy an’ady sy tsy te hiraika intsony amina resaka politika. Tsikaritra ho matahotra mafy sy tsy manana fanantenana firy amin’ny haha kandida azy i Andry Rajoelina ary mety efa mahatsapa tena fa tsy ho lany, ka toa nisafidy ny hangina. Miezaka mitsoka afo kosa anefa ireto ekipany. Miady sy hiady ho an’iza anefa ? Sa efa manana kajy hafa indray ? Mahagaga ihany koa ny resaka voizin’ny fironana Rajoelina eto amin’ny firenena izay indraindray toa manao fitaovana ireo tranga samihafa eto amin’ny firenena hanakorontanana ny samy Malagasy, toy izay natao tamin’ny 2009 ihany, saingy toa tsy mahataitra ny ny Malagasy intsony izany. Fantatra ihany fa hisy ny fihaonana ataon’ny mpikambana MAPAR amin’ny volana aprily. Amin’ity volana ity no tokony hanaovana izany raha ny vaovao azo saingy nahemotra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.