Politique

Tsiroanomandidy - Bongolava Tany fady ho an’i Andry Rajoelina ?


  • Alatsinainy 20 Jona 2011

27 volana teo amin’ny fitantanana an’i Madagasikara izao i Andry Nirina Rajoelina. Maro ihany ny tanŕna sy faritra nalehany na notsidihiny na nandehanany mba hialana sasatra, fa tsy mbola nandingana an’i Tsiroanomandidy na i Bongolava ny tenany nandritra io fe-potoana io.

 Malaza ho faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana iny Faritra iny. Izay ve no tsy andehanany any ? Nisy fitokanana zava-bita, biraon’ny fananan-tany, tao Tsiroanomandidy ny zoma 17 jona lasa teo. Nankalazaina tamin’ny haino aman-jery indrindra tao an-toerana, narahina tany anivon’ireo Kaominina ao anatin’ireo distrika roa mandrafitra ny Faritra Bongolava, dia i Fenoarivobe sy Tsiroanomadidy fa ho avy hitokana izany tany an-toerana ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita. Vory tokoa ny olona tamin’io fotoana io, izay ny ankamaroany dia liana mba te hijery imaso izany olona malaza ho mpanome fanantenana nefa tsy tanteraka izany. Inona tokoa no teo fa tsy tonga i Andry Rajoelina na dia efa niomana fatratra tamin’ny fandraisana azy aza ny Faritra, tamin’ny nanasana ny tarika Bagzana  sy Ny Ainga hisarihana olona, ankoatra ny mitabe nataon’ny mpianatra. Nahatsiaro voafitaka ny maro, na dia efa tsinjo mialoha aza fa tsy ho avy izy.

Ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pahefana no nisolotena azy. Tsiahivina fa i Bongolava no hany Faritra tokana tamin’ireo 22 nanerana ny Nosy sahy nanao TSIA tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka nataon’ny FAT ny 17 novambra 2010, ka mety tsy ho levon’ny vavonin’i Andry Rajoelina io, ka zary tany fady ho azy i Bongolava sy Tsiroanomandidy renivohiny. Fa ny nanaitra ny maro tamin’io fotoana io koa dia misy mpikamban’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita zanak’iny Faritra iny manakiana mafy tamin’ny radio tsy miankina iray tao Tsiroanomandidy ny fitantanana sy ny zava-misy ao amin’ny Kaominina ao amin’ity renivohitr’i Bongolava ity.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT