Politique

Tsimbazaza Nitrangana fanafihana indray koa omaly teo akaikin’ny Lapa


  • Talata 26 Jolay 2011

Tsy mifanalavitra akory ny Lapan’ny Tsimbazaza ary saika teo akaikin’ilay fandrobana ny volan’ny Kongresy ihany aza no niseho koa ity fanafihana iray hafa ity omaly.

 Ny mpiasan’ny orinasa JB izay nanao «recouvrement», fanao isak’alatsinainy, teo amin’ny manodidina no nataon’ny telo lahy nitana antsy lasibatra. Ilay vola amin’ny sakaosy teny aminy no tena notetehina nalaina. Vao niditra tao amin’ilay toeram-pivarotana izy dia nobedain’ireo jiolahy ary nosintonina ny sakaosy feno vola tany aminy. Tao indray dia tsy nanaiky ireo jiolahy raha tsy nandrahona ny mpivarotra. Raha ny fantatra mantsy dia sady mpividy volamena ihany koa io toerana io. Nahavita nanohitra tampoka anefa ilay rangahy latsaka tamin’ny tany. Nandritr’izay fotoana fohy izay ihany koa dia tonga namonjy ny olona. Vaky rifatra tany an-tanimbary ireo jiolahy. Voasambotra ny iray saingy navotan’ny namamy rehefa teny an-dalana. Nosintonin’ireo dia tsy hita indray koa izay nalehany. Samy mpiray tanàna ihany ilay jiolahy sy ireo olona nanavotra azy. Tonga teny an-toerana ny polisy taorian’izay ary niezaka nijery ny misy ireo jiolahy. Raha ny filazan’ny mponina dia tsy nahitam-bokany aloha izany.

 
Samy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT