Politique

Tsimbazaza Namaky ady Raharinaivo


  • Talata 26 Jolay 2011

Henjankenjana ny kabary fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Kongresin’ny tetezamita, nataon-dRaharinaivo Andrianatoandro teny Tsimbazaza omaly.

 Araka ny didy hitsivolana lah. 2011-407 nampiantso ity fivoriana ity dia laharam-pahamehana ny fandinihana ireo volavolan-dalàna mahakasika ny fifidianana kaominaly sy amin’ny Faritra. «Ahoana izany ny mahakasika ny sata mifehy ny Antoko politika, ny satan’ny mpanohitra ary indrindra ny lalàn’ny famotsoran-keloka ialohavan’ny fibebahana nefa samy resy lahatra ny rehetra fa fepetra mitondra fahatoniana sy famahana ny krizy ireo ary tokony hovitaina mialoha ny fifidianana ho avy ?», hoy Raharinaivo. Tamin’ny tehaka mafy koa no nandraisan’ireo mpikambana ny teny nataony mikasika ny «immunité parlementaire», ny raharaha «bois de rose», ny tsy fanomezan-danja ny parlemanta mpanao lalàna ankehitriny ary ny fitarazohan’ny famahana ny krizy ka mampalaina ny olom-pirenena tsy hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana.

Nandeha ny resaka taorian’izay fa toa mamaky ady amin’ny mpanatanteraka ny filohan’ny Kongresy. Tetsy Anosikely kosa ny tolakandro, dia ny hamafisan’ny asa miandry ireo CST no tena notsindrian-dRasolosoa Dolin mafy. Toa nisalasala tahaka ny teny Tsimbazaza koa izy ny amin’ny votoatin’ny fotoam-pivoriana ka tsy nanisy teny ny amin’izany tao anatin’ny lahateniny. Nanaporofo ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny parlemanta roa tonta sy ny governemanta ny dinika naharitraritra ihany nataon’ny Praiminisitra sy ny minisi-panjakana misahana amin’ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana sy ireo birao maharitry ny CST sy CT na ny maraina teny Tsimbazaza na ny tolakandro teny Anosikely, hany ka samy tara ny fanombohan’ny fanokafana ny fotoam-pivoriana roa ireo omaly.

Manohy

SARY : Nampihoraka ny namany ny kabarin’Atoa Raharinaivo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT