Raikitra ny totohondry nandritry ny Tsena Mora tao Androndra omaly. Nikorontana ny mpandrindra ny tsena ary tonga hatramin’ny fikasihan-tanana ny mpividy izany.
Nolazain’ireo olona fa mifidy tavan’olona loatra ireo mpikarakara. Tsy mazava ihany koa ny fandrindrana ny entana. Ao ny mahazo betsaka ary ao ny mahazo kely. Manginy fotsiny ny tsy fanajana ny laharana fa izay mahafantatra olona ihany no mahazo ny entana. «Tsy tokony hohadinoina fa mpividy izahay ary tonga hividy fa tsy mpangataka akory na koa tonga hangataka. Ny tsy fanananay no nahatonga anay hanatona ity toerana ity ary hiaritra ny filaharam-be», hoy ny solontenan’ireo olona izay tezitra mafy noho ny zava-nitranga. Raha ny filazan’ireo dia nisy vehivavy iray natosika tao anaty tatatra ary mbola voan’ny totohondry ihany tamin’ity korontana omaly ity.
Ny tompon’andraikitra indray dia niezaka nanadio tena ka nilaza fa ny olona no tsy mifanaja ka izay no niteraka ny korontana. Tsy misy olana izany ny fandrindrana ny entana, raha ny filazan’ireo tompon’andraikitra. Samy manana ny filazany ny tsirairay fa ny zava-misy tsy azo lavina kosa dia ny hoe noana ny vahoaka. Nitrangana savorovoro toy izany koa teny Antetezanafovoany. Ny fiandrasana ny entana no niteraka olana, toy ny nitranga tany amin’ny toerana hafa ihany koa. Ny laharana anefa nibotsina isan’ora, ary niteraka fitohanan’ny fiara izay tsy izy raha ny teo Antetezanafovoany. Porofo mivaingana ny fiaretany ny fanambaniana maro isan-karazany sy ny fanavakavahana izay tsy lazaina intsony. Mifanohitra tanteraka amin’ny vola an-tapitisany ao amin’ny CT sy CST ary koa 4X4 izay mety hivoaka tsy ho ela ny zavatra hiainan’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.