Politique

Tsena Mora Mibaboka ny FAT fa nampahantra ny Malagasy


  • Zoma 22 Oktobra 2010

Mazava ny resaka ! Miaiky ankehitriny ny FAT fa nalatsany anaty fahantrana lalina ny Malagasy. I Andry Rajoelina izao mihitsy no milaza fa tsy mahavidy menaka iray litatra intsony ny Malagasy.

Tamin’ny andron’i Dada anefa vitan’ny ankohonana Malagasy maro ny mividy ao anatin’ny indray maka ny vatsy herinandro, eny iray volana mihitsy aza. Dia noforonina ny Tsena Mora ho tapi-maso amin’ireo vahoaka sahirana, sao mitroatra tampoka eo ireo. Dia hiverina indray izany ny filaharana vary, menaka, savony eny amin’ny Fokontany. Mampahatsiaro ny zava-nitranga tamin’ny taona 80. In-droa isaky ny herinandro no misokatra ny “Tsena Mora”, ka hosantarina rahampitso izany. Efa miala any sahady anefa ny ahiahy sy fanakianana maro samihafa. Voalohany amin’ireny ny fahitan’ny maro fa propagandy amin’ny endriny an-kolaka izy io. Vola madiodion’ny fiadidiana ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita mantsy no hanatanterahana ity tetikasa fivarotana PPN amin’ny vidiny mora ity. Iaraha-mahalala fa tantanan’ny eny Ambohitsorohitra ilay 100 tapitrisa dolara azo avy amin’ny orinasa Sinoa Wisco, ka io no ampiasaina amin’ireo tetikasa goavana isan-karazany amin’izao fotoana.

Efa am-bolana maro no nambara fa tonga tao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara tetsy Antaninarenina io vola be io, saingy ny nahagaga ny maro dia ny hoe : inona ny antony tsy nanaovan’ny FAT ity Tsena Mora ity mialoha ny fetim-pirenena tamin’ny 26 jona mba nahafahan’ny vahoaka nitotorebika tsara tamin’ny 50 taona niverenan’ny fahaleovantena. Faharoa manaraka izay dia manomboka velon’ahiahy ihany koa ireo mpivarotra PPN tsotra, izany hoe ireo mpivarotra enta-madinika na “épicerie” maro be satria mety hampihena ny vola miditra na hamono tanteraka mihitsy ny tsenan’izy ireo ny fisian’ity Tsena Mora ity. Tsy maintsy hisafidy ny mora mantsy ny olona noho ny fahasahiranana. Mety tokoa ny fitsinjovana ny sahirana fa tsy tokony hanimbana ny fitadiavan’ny sasany kosa izany, hoy ny mpivarotra iray.

Ny manahirana ny sain’ny maro anefa, indrindra fa ireo mpandraharaha teratany dia ny Karana no mahazo tombontsoa amin’ity hoe fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ity, satria izy ireo no mifehy ny fanafarana sy fanapariahana ny entana ilaina amin’ny andavanandro eto amintsika amin’izao fotoana, ka tsy izany ve ny hoe “manjifa entana malagasy, fa manome tombony ho an’ny vahiny” ? Manitikitika ny saina ihany koa ny hoe : f’angaha moa tsy efa miasa ny Parlemanta ka tokony mba handalo any aloha ny volavolan-dalàna ho fampiharana ity Tsena Mora ity fa tsy tonga dia tanterahana fotsiny.

Ny fanamarihana fahadimy farany dia ny hoe : tena nampanantena vary sy menaka ary siramamy amin’ny vidiny mora takatry ny Malagasy rehetra tokoa i Andry Rajoelina teny amin’ny Kianjan’ny demokrasia saingy rehefa narahana tsara ny fanazavana momba ity Tsena Mora ity dia toa hoe ireo tena sahirana ihany aloha no mahazo ny anjarany, ary entina mihitsy ny taratasy manamarina izany avy any amin’ny Fokontany. “Dia ahoana izany ny momba anay ?”, hoy ireo tokantrano sasany izay amin’ny fianakaviana antonony na “classe moyenne”. Na ahoana na ahoana fomba filazan’ny FAT dia mazava ny resaka fa propagandy ny Tsena Mora ary azo antoka fa hanjavona aorian’ny fifidianana, na isaky ny manakaiky fifidianana vao mandeha. Izay olona voasoratra anaty lisi-pifidianana ihany koa no hahazo azy, ka itakiana kara-pokontany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT