Mialoha ny fahataperan’ny fotoam-piasan’ny filoha am-perinasa no tanterahana ny fifidianana filoham-pirenena fa tsy aoriana
.Tapitra amin’ny 25 janoary 2019 ny dimy taona fiasan’i Hery Rajaonarimampianina, midika izany fa tsy maintsy tanterahana ny faramparan’ny taona 2018 ny fifidianana filoham-pirenena.Hoy indrindra ny andininy faha 47 ao amin’ny lalampanorenana « tanterahana 30 andro farafahakeliny na 60 fara fahabetsany alohan’ny fiafaran’ny fe-potoana fiasan’ny filoha am-perinasa ny fifidianana filoham-pirenena ».Tanterahana ny 25 desambra 2018 izany ny fifidianana filoha raha ilay 30 andro no raisina ary amin’ny 25 novambra 2018 kosa raha kajiana amin’ilay 60 andro.Mety ho eo anelanelan’ireo daty ireo koa anefa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.