Politique

Tsapan-kevitra Fifidianana 2018 Ravalomanana 58 %, Rajoelina 16%


  • Alatsinainy 24 Jolay 2017

Mandeha ny tsapan-kevitra isan-karazany amin'ny mety ho vokatry ny fifidianana 2018 na dia mbola misy herintaona mahery kely aza.

  Misy ny mpanao politika efa nanambara ny hirotsahany, fa ao ihany koa ireo mbola mihainohaino sy mijery ny ho fitsoaky ny rivotra. Mitana ny sain'ny maro kosa ny momba an'i Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina ary Hery Rajaonarimampianina, izay sokajiana ho kandida goavana raha samy mirotsaka avokoa. Raha ny tsapan-kevitra mandeha ao amin'ny tranonkala “www.koolsaina.com”, izay miendrika fifidianana kely, dia mitarika lavitra be amin'ny safidin'ny olona i Marc Ravalomanana, ka hatramin'ny omaly dia olona 679 amin'ny 1163 no misafidy azy, izay manome 58%. Nahazo 185 kosa i Andry Rajoelina, izay manome 16%. Kandida hafa no mety hitazona ny laharana faha-3 raha ny safidin'ny olona ao anaty tranonkala, satria olona 178 no nanao fanehoan-kevitra, manome 15%. Miisa 108 ireo tsy manan-tsafidy, raha toa ka 13, izay manome 1% eo ho eo no nisafidy an'i Hery Rajaonarimampianina.

Tandindon'ny ho avy

 Ekena fa vinavina sy tombantombana ihany no havoakan'ny tsapan-kevitra tahaka izao, saingy mety azo hitarafana sy haminavinana ny ho avy. Ny tena misongadina dia ilay tsy fankafizan'ny olona ny filoham-pirenena ankehitriny, kanefa ny filoha am-perinasa no tokony ho hanana tombondahiny indrindra amin'ny fifidianana ho avy, saingy lalina loatra ny fankahalan'ny Malagasy azy. Na ny HVM amin'ny alalan'ny filoha nasionaliny aza, dia sahy milaza mihitsy fa ny antokony no matanjaka indrindra eto amin'ny firenena. Miantehitra amin'ny fahefana mbola eo am-pelatanany ny fanjakana saingy fahagagana aloha no mety mbola hahalanian'ny fitondrana HVM indray, raha raisina amin'ny fanehoan-kevitra sy tsapan-kevitra isan-karazany. Misongadina i Marc Ravalomanana, izay olona iharan'ny antsojay politika eto amin'ny firenena, saingy tsy arakaraka izany ny fitiavan'ny vahoaka azy. Eo ho eo ihany kosa i Andry Rajoelina, kanefa raha ny tombondahiny ananany amin'ny fahafahan'ny mpomba azy sy ny haino aman-jeriny manapariaka ny heviny, dia mbola latsaka be, ka heverina fa mety tsy dia hiova. Inoana fa hitombo sy hiakatra hatrany kosa ny tanjaka ara-politika ananan'i Marc Ravalomanana, raha havela malalaka toy ny rehetra ny fisokafan'ny haino aman-jeriny satria izy irery ankehitriny no mpanao politika hanaovana antsojay eo amin'io sehatra io noho izy atahorana mafy amin'ny fifidianana.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT