Politique

Tribonaly Iraisam-pirenena Mandinika ny dosien’ireo Parlemantera gasy


  • Talata 05 Oktobra 2010

Ireo zavatra nanenjehana an-dRavalomanana no ataon’ny FAT ankehitriny, hoy ny solombavambahoaka Tiako I Madagasikara voafidy tao Faratsiho, Randrianjatovo Henri. Fanenjehana sy fanasoketana ihany anefa ireny, hoy izy fa tsy nisy nataon-dRavalomanana akory.

Ary dia nanampy tamin’izany fanenjehana izany ireo haino aman-jery na teto an-toerana na ny vahiny, hoy ihany izy. Ankoatra izay, anisan’ny vaovao nisongadina nampitain’ity olom-boafidy ity ny nilazany fa dia hatry ny omaly dia dinihan’ny Tribonaly iraisam-pirenena ny momba ny zon’olombelona tamin’ny tranga niainan’ireo Parlemanteran’i Vakinankaratra nanomboka ny volana aprily 2009. Raha tsiahivina dia Parlemantera efatra, ka depiote ny telo amin’izy ireo dia Henri Randrianjatovo (Faratsiho), Mamisoa Rakotomandimby (Ambatolampy) ary Raymond Rakotozandry (Mandoto) ary Senatera ny iray, Lanto Rabenatoandro no nosamborin’ny hery famoretan’ny FAT ary dia nigadra sy niharana herisetra.

Ny 23 aprily 2009 izy ireo no voasambotra teny Ambatoroka ary nanomboka ny 25 aprily ireo depiote ny fitazomana am-ponja. Nambaran’ny depiote Henri Randrianjatovo ihany koa fa dia tapitra amin’ity volana oktobra ity ny 14 volana napetraky ny satan’i Maputo ka tsy ho filoha intsony Andry Rajoelina na dia tsy mipetraka aza ny tetezamita tena izy. Momba ny fitsapan-kevi-bahoaka tadiavin’ny FAT hatao dia nambarany fa toromarika no nomeny ireo mpanara-dia ny amin’ny tsy tokony hahatafalatsaka anatin’ny fitaka. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT