Politique

Tratry ny antsojay ny Ben’ny tanànan’Antsirabe Hosoloina PDS ?


  • Talata 03 Aogositra 2010

Mafanafana ny rivotra politika ao Antsirabe ao. Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaha hatramin’ny zoma 30 jolay teo, nisian’ny lanonana famoahana andia-miaramila tao amin’ny Akademia miaramila Antsirabe ka nahatongavan’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT, sy ny jeneraly Camille Vital, praiministra, tany an-toerana.

Araka ny fantatra mantsy dia manao ny fomba rehetra haminganana ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka, Ramalason Olga, ny lehiben’ny Faritra notendren’ny FAT, Razanakolona Paul Randriamasitera, ary dia tsy mitsahatra ny mametraka vela-pandrika mba hamelezana azy. Raha ny zava-nitranga io zoma 30 jolay io dia nofihinin’ny teo anivon’ny Faritra Vakinankaratra ho azy ireo samy irery ny fandaminana sy ny fandrindrana ny fandraisana ny manampahefana ho avy tao an-toerana, fa tsy nampahafantarina ny teo anivon’ny Kaominina. Mazava loatra fa dia nanamarika izay fahabangana tamin’ny fandraisana sy fitsenan’ny Kaominina, izay tompon’ny tanàna, izay ireo oloben’ny FAT, na dia tonga nanome voninahitra ny lanonana miaramila tao amin’ny Akademia aza Rtoa Ben’ny tanàna, araka ny fanasan’ny komandin’ny sekoly azy.

Kandida tsy nety lany tamin’ny fifidianana isan-tokony natao tao Antsirabe rahateo no notendrena ho lehiben’ny Faritra koa tsy hahagaga ihany raha mandeha ny kibay ankelika sy ny fingampingana politika avy aminy. Tsy lavitr’izany ny nitranga ny sabotsy 31 jolay teo. Nisy fivorian’ny Ben’ny tanàna manerana an’i Vakinankaratra niaraka tamin’ny jeneraly Camille Vital, tao amin’ny biraon’ny Faritra Vakinankaratra. Akory anefa ny hagagan’ireo Ben’ny tanàna tonga tao fa ny Ben’ny tanàna mpampiantrano, Ramalason Olga, indray no tsy nampandrenesina ity fivoriana ity, izay ny Faritra no nandrindra azy. Ingahy praiministra koa tamin’io efa nanao tsindripaingotra samihafa toy ny filazany fa «ny firehan-kevitra, samy manana ny azy» fa «tokony hifanaja isika». Loharanom-baovao akaiky ireo olom-boafidy tonga nivory tamin’io andro io no nahalalana fa tonga ary nangataka fitenenana mba hanazavany ny zava-misy ny Ben’ny tanànan’Antsirabe, dia ny nanaovana ny fiadidiana ny tanàna tantanany ho amboho-pefy tsy nampahafantarin’ny Faritra izay vahiny ho avy na koa ny fitsenana sy fandraisana vahiny.
 
Nambaran’i Olga Ramalason nanoloana ny mpivory, hoy ny loharanom-baovao fa olona voafidim-bahoaka tao anatin’ny demokrasia ny tenany ary nanao ny asa amin’ny maha olona voafidim-bahoaka azy. Tsy nijanona teo anefa ny vela-pandrika fa dia nitohy ny sabotsy tolakandro. Nisy ny fivoriana nihaonan’ny Ben’ny tanàna ao Vakinankaratra miaraka tamin’i Andry Rajoelina tao amin’ny «Hôtel des Thermes» nokarakarain’ny Faritra ihany ary dia toy ny teo aloha ihany no nitranga. Gaga ireo Ben’ny tanàna, izay somary niteraka fahasorenana ho an’ny sasany mihitsy aza, fa tsy nilazana ny fisian’io ny Ben’ny tanànan’Antsirabe, ny sasany tamin’izy ireo aza nilaza fa norarana tsy ho ao mihitsy Rtoa Ben’ny tanàna. Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaha ankehitriny, satria dia noraisin’ny mpomba ny FAT ho tsy fanoavana mpitondra, eny fikomiana mihitsy ity tranga ity. Mandeha ny feo ankehitriny fa dia an-dalana ny fanoloana PDS ny ben’ny tanànan’Antsirabe, ary dia hodinihina ary mety handraisana fanapahan-kevitra mandritra ny filankevitry ny ministra rahampitso alarobia ny momba izany. Hafanafana indray izay ao Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra raha izao no izy. Iaraha-mahalala ny hafanam-pon’ny olona ao. Milaza ny tsy hipetra-potsiny koa ny olom-boafidy (mpanolotsaina monisipaly, mpanolotsaina rezionaly) manoloana ity toe-draharaha ity.
 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT