Mihazakazaka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena. Maneho ny heviny manoloana izany i Tonton Ambroise, filohan’ny antoko FRDL (Front Républicain Démocrate Légaliste) sady mpitarika ny «Mouvance Légaliste» raha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana.
Tia Tanindrazana : Nanao ahoana ny fahasalamanao izay taorian’ny nialanao an-tanindrazana ?Tonton Ambroise : Misaotra anao nahatsiaro manokana izany. Mitohy ny fitsaboana ary mbola mila fanaraha-maso ny fahasalamako, indrindra amin’ny feko an-kavia, izay mbola mampandringa ahy. Toy izany koa ny ranjoko an-kavanana izay tsy ahafahako mijoro maharitra ary ahiana ho lasa takaitra entiko mandra-pahafaty. Mbola misy maharary ahy koa ny andilako rehefa mihetsika tampoka na mihomehy.
Tia Tanindrazana : Mihazakazaka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena. Ao anatin’ilay Sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika ve ny FRDL tarihinao ?
Tonton Ambroise : Marihiko etoana aloha fa tsy i Andry Rajoelina na ny ankolafy tarihiny no antom-pisian’ny fivondronan’ireo mpitarika politika ao amin’ny Sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika (Espace de Concertation). Io sehatra io dia efa teraka talohan’ny nisamborana ahy ny volana mey 2010. Ka hamaliako ny fanontanianao, dia «Eny». Mandray anjara ao anatin’io Sehatra io ny FRDL amin’ny maha Legalista azy, ary noho izy mifanojo indrindra amin’ny fiheveranay ny tetika hivoahana amin’ny krizy. Raha niantso ny Sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika ho avy eny Iavoloha i Andry Rajoelina, taorian’ny fandrahonana ka nilazany fa tsy mila “Tetezamita bis” izy, dia mihevitra izahay fa fanerena izany mba hisoavaliany ity sehatra ity ka dia tsy namaly ny fanasany ny FRDL.
Tia Tanindrazana : Nisy ilay fifanarahana politika teny Ivato, mankato ary nanao sonia azy iny ve ianareo ?
Tonton Ambroise : Mbola taratry ny hevitr’olon-tokana ihany iny fifanarahana politika lasitra vita sonia teny Ivato ny 13 aogositra iny, ary fanatanterahana ny fanirian’ny filohan’ny FAT ka mampahatsiahy anay ny fivoriana natao teny amin’ny Panorama ny faran’ny volana jolay 2009. Koa satria ny FRDL sy ny «Mouvance Légaliste» tarihiko dia tsy ao anatin’ny Ankolafy Rajoelina, dia izay indrindra no tsy nanaovanay sonia iny fifanarahana iny. Aminay dia ny filohan’antoko politika rehetra tsy misy ankanavaka no mila mifanaraka miara-mametraka ny Tetezamita tena izy, andraisan’ny rehetra anjara fa tsy ny mifanohitra amin’izay.
Tia Tanindrazana : Nanao ny Fiaraha-mientana hivoahana amin’ny krizy tao amin’ny Carlton koa ny Ankolafy Telo, tazana tao ianareo. Ny antony ?
Tonton Ambroise : Nandefa solontena tany tokoa izay. Ny antony dia mila mahalala sy mahafantatra bebe kokoa ny hevitry ny mpifanandrina fototra anatin’izao krizy izao izahay hahafahana miroso amin’ny fiverenana amin’ny ara-dalàna. Ny fotokevitra mibaiko anay dia izay hahitana vahaolana mahomby sy mahasoa ny vahoaka Malagasy sy ny taranaka mifandimby.
Tia Tanindrazana : Manatona atsy sy aroa, mandresy lahatra ny CNOSC izay hikarakara ny fihaonambem-pirenena. Manana fanantenana amin'ny hahombiazan’io ve ianao ?
Tonton Ambroise : Manana fanantenana izahay raha ny CNOSC no resahina fa tsy ilay fiarahamonim-pirenena na koa ny Raimandreny Mijoro izay aminay dia iraka notendren’ny filohan’ny FAT, ka mpanatanteraka hevitr’olon-tokana ihany. Manohana ny CNOSC izahay ary mitaky aminy hamaritra ny tetiandro mazava amin’ny asa ataony sy ny hanatanterahana fihaonamben’ny mpitarika politika tsy ankanavaka mialoha ny hanaovana ny fihaonambem-pirenena. Dinihina mandritra io fihaonamben’ny filohana antoko politika io ny famotsorana avy hatrany ary tsy misy fepetra ireo gadra politika sivily, miaramila, mpitandrina, mpanao gazety. Toy izany koa ny hisian’ny fifamelana sy ny fifampihavanan’ny mpanao politika na eto an-toerana na ny any ivelany, izay tokony hiafara amin’ny fanaovan-tsonia fifanarahana politika hahafahana manangana governemantan’ny fampiraisam-pirenena. Io fihaonamben’ny mpanao politika io dia tokony hapetraka ho eo ambany fiahian’ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena hitondran’ireto farany ny fanohanany.
Tia Tanindrazana : Namoaka fanambarana koa iny ny SADC fa manohana ny fikaroham-bahaolana eo amin’ny samy Malagasy. Ny hevitrao mikasika azy iny?
Tonton Ambroise : Mazava amin’iny fa takatry ny SADC tsara fa tsy miankina amin’ny Ankolafy efatra intsony ny famahana ny krizy fa ny hery velona politika rehetra misy eto Madagasikara. Zava-dehibe ihany koa ny fanapahan-kevitry ny SADC hanokatra birao eto Madagasikara. Aminay aza dia tokony harahina fametrahana masoivohon’ny filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny SADC izany izay hiara-hiasa amin’ny Tafika Malagasy hanomezana antoka ny fitantanana ny tetezamita sy ireo fifidianana mifandimby eo. Hamafisinay anefa fa izay fifanarahana rehetra hatao dia tokony ho araka ny foto-kevitry ny fifanarahan’i Cotonou sy ny Maputo tenierana no andraisana azy fa tsy hisy fanilikilihana.
Tia Tanindrazana : Rahoviana ianao no mihevitra hiverina eto Madagasikara, sa miandry ny fifaranan’ny krizy ?
Tonton Ambroise : Raha sitrakao dia mba manana hafatra tiako hampitaina amin’ireo namana mpanao politika repoblikana sy demokraty ny tenako. Ny Sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika dia tokony hijanona ho sehatra hiadian-kevitra sy handinihana ny raharaham-pirenena ho an’ny rehetra tsy ankanavaka ary ny tsirairay dia afaka maneho hevitra sy ny foto-keviny ary afaka miaro izany ankalalahana. Manaraka izay dia miankina amin’ny fivoaran’ny fahasalamako ny fiverenako an-tanindrazana, izay inoako fa tsy ho ela. Masina ny Tanindrazana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.