Ny vokatry ny fanelanelanana rehetra vita hatramin’izay sy ny dingana voalohany nataon’ny CNOSC farany teo dia midika mazava fa tsy tokony hirotorotoana na koa amboletra ny fanaovana fikaonandoham-pirenena, hoy i Tonton Ambroise raha naneho ny heviny mikasika ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena.
Io fikaonandoham-pirenena io mantsy no hamaritra ny hoavin’ny firenena sy ny vahoaka ao aminy ary ny taranaka faramandimby ka tsy tokony hisy indray ny fahadisoana ary tsy azo ekena izany, hoy ihany ity filohan’ny antoko Front Républicain et Démocrate Lagaliste (FRDL) ity, araka ny fanambarana an-tsoratra nataony niainga avy any Thionville Frantsa omaly talata 07 septambra. Eo amin’izay indrindra dia mihevitra i Tonton Ambroise fa tokony hohajaina sy hampiharina ny fanapahan-kevitra ny fandaharam-potoana nofaritan’ny CNOSC, izay efa nametrahan’ny maro sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena fahatokisana handray an-tanana ny fampifanatonana ny mpanao politika hahitana marimaritra iraisana amin’ny famahana ny krizy. Koa raha mihevitra ny CNOSC, hoy i Tonton Ambroise fa tokony hahemotra ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena noho ny maha zava-dehibe ary iankinan’ny aim-pirenena aminy, dia tokony tsy hasiana fihetseham-po na fisalasalana indray izany fa harahina, ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena.
Nanamafy ny zava-boalazany hatramin’izay koa i Tonton Ambroise ny amin’ny hanaovana ho laharampahamehana ny hametrahaha ny fandriampahalemana sy ny hisian’ny fitoniana politika eto Madagasikara. Melohin’ny FRDL koa rehefa tetika mety tsy hampahomby ny fikatsahana vahaolana ifanaovan’ny samy Malagasy sy ny fampihorohoroana ary ny fisambotsamborana mpanao politika noho ny fanehoan-kevitra, toy ny mihatra amin’ny Dr Elimberaza Mandridake. Amin’i Tonton Ambroise dia tokony hahatsapa ny halehiben’ny andraikitra tanany amin’ny fikatsahana vahaolana ny Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika noho izy taratry ny fiaraha-mientan’ny antoko politika tsy ankanavaka ka tsy tokony hanao fahadisoana, indrindra amin’ny resaka ady seza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.