Politique

Tonton Ambroise Tonga nizaha fahasalamana teny amin’ny HJRA


  • Alakamisy 03 Jona 2010

Nanatona hopitaly i Tonton Ambroise omaly, hamantatra ny zava-manjo azy marina miteraka fanaintainana tsy miato taorian’ny daroka nataon’ny miaramilan’ny FIS sy Emmo-Reg nisambotra tamin-kery azy.

Ny sabotsy 15 mey 2010 no nisamborana azy tao amin’ny Fréquence Plus, raha nasain’ity onjampeo ity, hiara-niady hevitra momba ny raharaham-pirenena tao tamina mpanao politika roa hafa ny tenany tamin’io andro io. Any amin’ny loha, any amin’ny kibo sy amin’ny tongotra no itarainan’ity mpanao politika, filoha nasionalin’ny antoko FRDL (Front Républicain et Démocrate Légaliste) sady mpitarika ny «Mouvance Légaliste» ity. Mandringa no nahitana azy tamin’ny fotoana niakarany Fitsarana ny alakamisy 27 mey ary mpiandry fonja roa no nanampy azy nitehenana nahafahany namindra. «Fanalam-baràka avy amin’ny filazana amin’ny haino aman-jery», no vesatra nanenjehana an’ i Tonton Ambroise. Ny alatsinainy 31 mey no nivoaka ny didim-pitsarana ady heloka tsotra mahakasika azy. Valo volana sazy mihantona miampy fandoavana iraimbilanja (1 franc symbolique) no azony. Tonton Ambroise mbola mandringa ary mitondra tehina no nivoaka ny fonjan’Antanimora io alatsinainy 31 mey io, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva. Dia izao izy nanapa-kevitra nanatona dokotera izao, nizaha ny fahasalamany. Ny dokotera no hamaritra na voatery tsy maintsy hotsaboina any ivelany izy na vita eto an-toerana ihany ny fitsaboana azy. Raha ny taratasin’ny mpitsabo ny 18 mey, fony izy voatana tao Antanimora dia milaza mazava ny tokony hanatonany toeram-pitsaboana manokana hitarafana ireo faritra itarainany ho maharary hisorohana izay mety ho fiomboan’ny aretina. Tsy navela nivoaka ny fonja hitsabo tena moa izy tamin’izay, ary ilay dokotera nanome io taratasy fizaham-pahasalamana na “certificat médical” io aza re fa nahazo famindran-toerana. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT