Politique

Tonton Ambroise “Ny miala no mety amin’i Andry Rajoelina”


  • Talata 06 Aprily 2010

Niala tamin’ny fahanginany i Tonton Ambroise manoloana ny fikatsoan’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, indrindra manoloana ity krizy tsy manam-piafarana, mampangitsokitsoka ny fahantram-bahoaka ity.

Hentitra ity filohan’ny antoko FRDL (Front Républicain et Démocrate Libéral) sady mpitarika ny «Mouvance Légaliste» ity raha nivahiny tao amin’ny fandaharana «Ampejiky» ao amin’ny radio Fahazavana ny alin’ny alatsinainy 05 aprily, alatsinain’ny paka 2010, nilaza fa herintaona nijaliana ny Malagasy, koa voarainy ny fitarainan’ny vahoaka, reny koa ny fanambarana nataon’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana tao amin’ny Kianjan’Alarobia ny antoandron’io nivahinianany tamin’ny onjam-peo io, koa dieny mbola tsy mirongatra maneho ny hatezerany ny vahoaka sy ny miaramila tia tanindrazana, dia mety amin’i Andry Rajoelina ny miala, hoy i Tonton Ambroise. Diso fantatra amin’ny teny mahitsy, hentitra izay ity mpitarika ny «Mouvance Légaliste», ka tamin’izay no nilaza fa ho avy izy, ary tsy ho ela raha ny filazany, ka mampiomana ny vahoakan’Antananarivo. “Tsy hisy handany andro intsony hifandinika an-databatra boribory amin’ny olona efa fanta-poko fanta-pirenena fa tsy manaja akory izay teny sy ny sonia nataony”, hoy izy mantsy an’i Andry Rajoelina, nefa raha izay no ilain’ity farany, dia “tokony haneho fihetsika sy fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany izy”, hoy ihany i Tonton Ambroise nanohy ny fanazavany dia ny “mamoaka tsy misy hatak’andro ireo gadra politika, araka izay voarakitry ny fifanarahana tany Maputo”.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT