Politique

Tonton Ambroise Norobaina ny tranony teny Ambohipo


  • Alatsinainy 17 Mey 2010

Nanaovan’ny FIS bemidina teny Ambohipo ny tranon’i Tonton Ambroise taorian’ny nisamborana azy tao amin’ny Fréquence ¨Plus 67 Ha. Voalaza fa mitahiry basy ity olona ity ka izay no anton’ny fisavana izay niafara tamin’ny fandrobana.

Fandrobana satria tsy nisy na taratasy iray aza avy amin’ny fitsarana nasehon’ireo FIS. Ny fiara nentin’izy ireo, Toyota Yaris kely ireny mitondra ny laharana 14208 WWT no nahalalana fa FIS ireto tonga ireto. Tsy nanohitra moa ny tao an-trano fa namela malalaka azy ireo na dia izany aza. Nokorontanin’izy ireo daholo ny tao an-trano ary voaroba ny entana sasany fa tsy nahita inona ireto FIS ireto. Ny tompon-trano moa dia voatana eny amin’ny zandary Fiadanana. Ny lietna kolonely Lylyson no mitondra ny FIS amin’izao araka ny fantatra satria re fa tsy mety manao intsony ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina noho ny antony tsy fisian’ny “cadre légal” na fototra ara-dalàna mampijoro ity FIS ity hatramin’izao. Ho hita eo ny tohiny. Ny mikasika ilay fakana an-keriny vazaha teny Ambohibao nataon’ireto FIS ireto aloha dia efa afaka madiodio izy ireo amin’izao.

Manoloana iny trangan-javatra iny dia tsy niandry ela ny fanambarana avy amin’ny FRDL sy ny Madagascar Terre de Liberté fikambanana tantanan’i Tonton Ambroise manameloka ny fisamborana azy tao amin’ny Fréquence ¨Plus ny sabotsy 15 mey lasa teo. Mahatsapa ny FRDL fa voahosihosy ny demokrasia eto Madagasikara. Koa dia “mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra miaraka amin’ireo gadra politika mbola voatana hatramin’izao” izy ireo.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT