Politique

Tonton Ambroise Naverina eny Antanimora


  • Zoma 28 Mey 2010

Olona reraka tanteraka no nentina teny amin’ny Fitsarana, efitrano fahenina misahana ny ady maika, omaly. Tsy iza izany fa i Tonton Ambroise izay mikotringa sady mivaloharika. Mitehina amin’ireo mpiandry fonja aza izy na tao anatin’ny efitra fitsarana na koa teny an-dalana hizotra ho ao.

«Fanalam-baraka avy amin’ny filazana amin’ny haino aman-jery», io no fiampangana an-dRavonison Ambroise, filoha nasionalin’ny antoko FRDL ary mpitarika ny «Mouvance Légaliste» izay naverina tany am-ponja avy hatrany omaly ihany rehefa nolavin’ny Fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny mpiaro azy. Niezaka nanazava Ramaso Raymond, mpisolovava azy, fa zon’ny tsirairay ny maneho amin’ny haino aman-jery ny heviny. Ny alatsinainy 31 mey izao no andro hamoahan’ny Fitsarana ny didy mahakasika ity mpanao politika ity.

Daroka nataon’ny FIS ny andron’ny nisamborana azy tao amin’ny Fréquence Plus ny 15 mey 2010 no namparatra an’i Tonton Ambroise. Nitaraina narary ity mpanao politika ity, noho io vono nihatra taminy io. Mbola tao amin’ny toerana nitazonana azy teny Fiadanana dia efa niakatra ny tosi-drany, mety ho nentin’ny hatairana nefa mety ho fikorontanan-tsaina nateraky ny dona samihafa vokatry ny toto vodi-basy nataon’ny FIS azy. Nisy ny fizahana nataon’ny dokoteran’ny fonja izay nanamarina tamin’ny alalan’ny «Certificat médical» nomena ny 18 mey 2010 mikasika ireo aretina itarainan’i Tonton Ambroise. Mbola io taratasy fanamarinana taorian’ny fizaham-pahasalamana natao tamin’ny 18 mey io no milaza ny tokony hamonjeny toeram-pitsaboana manokana ahafahana manao fitarafana ny faritry ny loha, ny vaniha ary ny vatany amin’ny ankapobeny. «Radio du crâne», «scanner», «radio du bassin» no voambolana teknika nampiasain’ny dokotera ao amin’ny fonja Antanimora hanondroana ny zavatra tokony hatao mikasika ity mpanao politika ity ka mila hanatonany toeram-pitsaboana hafa mba tsy hitaran’ny fahavoazana, fa tsy vita ao an-toerana izany. Na teo aza anefa izany dia nihitsoka ao am-ponja i Tonton Ambroise. Re koa aza izao fa nafindra any Tsiafahy ity dokotera nanome ilay «Certificat médical» an’i Tonton Ambroise ity.
 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT