Naresaka tamin’ny adihevitra politika teto an-drenivohitra ny taratasy misokatra nalefan’ny Mompera Pedro ho an’ny kaomisera eoropeanina momba ny fampandrosoana sy ny fiahiana ny maha olona, Louis Michel, manome tsiny ity farany tamin’ny nilazany ny tokony hampidirana ho amin’ny lahadiniky ny Vondrona Eoropeanina ny hanamafisana ny sazy hampiharina amin’i Madagasikara amin’ny fivoriana ataony.
Raha ny setrin-dahatsoratra avy amin’i Louis Michel no nandrasana dia ny an’i Tonton Ambroise, mpitarika ny «Mouvance Légaliste» no tonga aloha, mampahatsiaro ny Mompera Pedro fa nanohana an’i Marc Ravalomanana toa azy ny tenany ny taona 2002. Manoloana ny fanehoan-kevitra amin’ny taratasy misokatra nataon’ny Mompera Pedro dia nahitsy teny i Tonton Ambroise nilaza fa tsy mahagaga azy ny fiovam-pijerin’ity olon’ny katolika ity, fa setrin’ny ampahan-tany nomen’i Andry Rajoelina azy. Nohazavain’i Tonton Ambroise amin’ny valin-kafatra nataony fa fanamafisana ny sazy ampiharina amin’i Andry Rajoelina sy ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, no nangatahin’i Louis Michel hampidirina amin’ny lahadiniky ny Vondrona Eoropeanina, nandritra ny fivoriana tany Ténérife Espagne, fa tsy sazy ho an’ny vahoaka malagasy velively. Ary nivantana mihitsy aza i Tonton Ambroise manontany ny Mompera Pedro, “ taiza izy no tsy niteny tamin’ireny «lundi noir» ireny, tamin’ny fisambotsamborana olona, ny fitazonana ireo gadra politika any am-ponja nefa tokony ho efa navotsotra vantany vao vita sonia ny satan’i Maputo ?” “Inona no ambaran’ny Mompera Pedro, manoloana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena toy ny «bois de rose», ny fanararaotam-pahefana sy ny kolikoly ary ny amin’ireo Malagasy an’arivorivony maro very asa ?”, hoy ihany i Tonton Ambroise, izay mbola nampahatsiahy fa tao anatin’izay herintaona nitondran’i Andry Rajoelina izay dia mizarazara ny fianakaviana, vakivaky ny fiangonana, ny miaramila…
Zaza malagasy sy fianakaviana an’arivony no eny amin’ny arabe, tsy manana hanin-kohanina, tsy manan-kiantranoana, eny fa hatramina frera katolika aza noratrain’ny miaramila. Eo anatrehan’izany rehetra izany ity solontenan’Andriamanitra ity no milaza fa milamina eto Madagasikara, hoy i Tonton Ambroise. Sahirana ny vahoaka, ary anatin’ny fahantrana tanteraka. Maika ary laharam-pahamehana ny famonjena sy fanavotana azy, ka izay no tokony hihainoana ny vahoaka, izay rahateo no tena demokrasia, hoy ihany i Tonton Ambroise. Ny mahamaika izao dia ny hiarovana ny vahoaka sy ny hanalana azy amin’ny didy jadona ampiharin’ny mpitondra nandrombaka fahefana, fa tsy ny fiarovana tombontsoa manokana no hanadinoana fa ireo mpanongam-panjakana anie no tompon’andraikitra amin’ny fahafatesana Malagasy am-polony maro sy ny maratra an-jatony, izay zaza amam-behivavy sy zokiolona ny ankamaroany, ao anatin’ny 75%-n’ny vahoaka sahirana eto Madagasikara. Manontany tena koa ny «Mouvance Légaliste» raha fiarovana tombontsoa no anaovana odian-tsy hita ny fahoriam-bahoaka. Nohamafisin’i Tonton Ambroise ireo fa ny fiverenan’ny ara-dalàna ihany no hanavotra ny Malagasy amin’izao krizy izao. Tsy azo afangaro ny tombontsoa manokana sy ny tombontsoam-pirenena. Lasa lavitra aza ny «Mouvance Légaliste» manontany, zo avy aiza no ananan’ny Mompera Pedro manosika azy hiteny, amin’ny anaran’ny Malagasy sa Lafrantsa ? Nanamafy i Tonton Ambroise amin’ny anaran’ny «Mouvance Légaliste» fa ny Malagasy ihany no masi-mandidy sy manapa-kevitra mikasika azy sy ny fireneny dia i Madagasikara, fa tsy olon-kafa na vahiny no hisalotra ny zony ka hanapaka ny hoaviny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.