Politique

Tonton Ambroise Nampidirina am-ponja eny Antanimora


  • Talata 18 Mey 2010

Tsy nahagaga ny maro ny vokatry ny fanolorana ny famotorana ny raharaha nitranga tao amin’ny radio Fréquence Plus, teny amin’ny Fitsarana omaly.

Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora i Tonton Ambroise, filoha nasionalin’ny antoko Front Républicain et Démocratique Légaliste (FRDL) sady mpitarika ny “Mouvance Légaliste”. Raha ny tsikaritra dia tratry ny tsy fahasalamana ity mpanao politika ity tamin’ny fotoana niakarany fitsarana. Raha nanontaniana ireo manodidina azy, dia nanambara fa niakatra ny tosidrany ary misy fivontosana amin’ny tenany ary mitaraina maharary ao amin’ny lamosina, fe ary tratrany noho ny daroka nataon’ny FIS azy tamin’ny fotoana nisamboarana azy teny amin’ny Fréquence Plus sy nandritra ny nitondrana azy teny amin’ny zandary Fiadanana. Marihina fa vao tsy ela no namoy ny vady andefimandriny ity lehilahy ity. Voalaza fa naniratsira filoham-panjakana, hono, izy. Gaga ny rehetra hoe : f’angaha moa eto misy filoham-panjakana ary f’angah tsy ny fifanarahana tany Maputo no naha filohan’ny tetezamita an’i Andry Rajoelina ? Izy ihany anefa no nitsipaka ity fifanarahana ity. Na izany na tsy izany, mazava izao fa resaka politika tanteraka halako bika tsy tiako tarehy no nampidirana am-ponja ity mpanao politika ity. Amin’ny 27 mey izao, amin’ny iray ora tolakandro, no hotsaraina ao amin’ny efitra faha-6 eny Anosy i Tonton Ambroise. Ny tranony moa ny sabotsy teo dia norobain’ny andiana mpitandro filaminana avy amin’ny FIS teny Ambohipo. Ny kolonely Ravalomanana Richard kosa toa tsy nahita havaly afa tsy ny hoe aleo ny famotorana handeha raha nilaza mikasika ity raharaha ity. Nitory moa ny Fréquence Plus ka asa raha hisy tohiny satria be ireo naratra ary nisy vehivavy mpanao gazety tapa-tanana mihitsy. Ny fitaovana koa potika avokoa. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT