Politique

Tonton Ambroise Mijoro hanavotra ny firenena


  • Alarobia 05 Mey 2010


Mikatso ny raharaham-pirenena. Tapi-dalan-kaleha ny ankolafy efatra raha tarafina amin’ny vokatry ny dinika tany Pretoria sy ny filazan’i Andry Rajoelina teo am-pahatongavana raha niverina avy any Afrika Atsimo izy fa vita hatreo ny fifampidinihana amin’ny ankolafy telo. Misy ny vahaolana, hoy i Tonton Ambroise. Tsy azo avela hoviravirain’ny sasany amin’izao ity firenena ity, fa mila olona tompon’andraikitra mijoro hanavotra ny firenena. Tonga ny fotoana hamindrana ny fahefana amin’ny miaramila ka hiroso amin’ny «alternance positive militaro-civile», hoy ny tenany. Izay madio tanana ihany no mandray anjara amin’io rafitra io, izay ho vonjimaika ihany, mandra-panangana ny governemantan’ny firaisam-pirenena. Tsy miditra amin’izany ireo miaramila sy sivily nanodidina an’i Andry Rajoelina tamin’ny fanonganam-panjakana teto. Fampandehanan-draharaha ihany no hosahanin’io rafitra io, saingy efa hampihatra sahady ireo fifanarahana politika vita sonia tany Maputo. Izay no andrandrain’ny vahoaka hivoahana amin’izao krizy izao, hoy i Tonton, izay tsy nihambahamba niteny fa ho avy hanohana ary vonona hitarika ny vahoaka izy amin’ny fanatanterahana izany. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT